Alahady 23 Mey 2027

Zavatra iray loha no ataoko : manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha ; eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony, ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:13-14

 

Zavatra iray loha

Nanomboka tamin’ny fotoana niovany fo, ny apostoly Paoly dia nanjary olon’ny zavatra iray loha : ny fanambaran’i Jesosy Kristy dia nanilika ny zavatra rehetra, ary ny Kristy no anton’ny ahavelomany, nanomboka hatreo. Niezaka izy hanatratra ny tanjona any an-danitra (Filipiana 1:21 ; 3:7-8).

Zavatra iray loha : izany dia mampahatsiaro ny tenin’i Jesosy tamin’i Marta, izay sahirana tamin’ny raharahany, ka nitaraina satria tsy mba nampian’i Maria rahavaviny. Namaly azy Jesosy hoe Maria dia nanao ny zavatra iray loha ilaina, izany hoe nihaino Azy, mba hianarany mahafantatra Azy (Lioka 10:41-42).

Zavatra iray loha : midika ve izany fa tokony hitsahatra tsy hianatra na hiasa intsony isika rehetra, mba hamaky ny Baiboly mandritra ny tontolo andro ? Tsia ! Ny apostoly Paoly tenany mihitsy dia namboatra lay, ary niasa andro aman’alina. Marta, tamina fotoana iray hafa, dia nandroso sakafo an’i Jesosy, tsy nitaraina, ary tsy nomen’i Jesosy tsiny, na kely aza (Jaona 12:1-2).

Tsy sakana amin’ny fanoloran-tena manontolo ho an’i Jesosy Kristy, izany, ny asantsika andavanandro, satria isika manana ny tombontsoa manokana hanao ho Azy ny zavatra rehetra (Kolosiana 3:23). Afaka manao zavatra iray loha ihany koa ny mpianatra mamerin-desona ho amin’ny fanadinany, ny ray aman-dreny mikarakara ireo zanany, ny marary eo ambony fandrianan’ny hôpitaly, ny voafonja ao amin’ny efitrakeliny… Na maka fotoana be aza ny raharaha sasantsasany, dia ny toe-po no manan-danja. Mibahana ato an-tsaiko angamba ny asa ataoko izao ; nefa ny foko dia mitodika lalandava amin’Ilay Mpamonjiko : afaka mivavaka aminy mandrakariva aho.

Koa aza heverintsika àry hoe ho ana kristiana manokana —apostoly, ohatra- ny „manao zavatra iray loha”. Tsia, fa ho an’ny isambatanolona izany !