Asabotsy 22 Mey 2027

Nisy lehilahy anankiray … azon’ny jiolahy, dia nendahany ny lambany, sady nokapohiny izy, dia nilaozany, rehefa saiky maty… Fa nisy kosa Samaritana anankiray, nandeha tamin’ny nalehany ka tonga teo aminy, ary nony nahita azy, dia onena. Dia nanatona izy, ka nofeheziny ny feriny. Lioka 10:30, 33-34

(Hoy Andriamanitra :) Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo. Isaia 45:22

 

Kodiamiadinify

Nanana tokantrano i Christine, nanana vady tia, zanaka tsy nisy olana. Indray andro izy dia nandao izany rehetra izany, mba hanarana firehetam-po tsy misy hoavy antenaina. Nifandimby teny ny fahadisoam-panantenana, ka latsaka tanaty fiainana mikorontana izy. Dia nibahana kokoa hatrany tao am-pony ny fahatsapana fa nanimba ny fiainany izy, ka nandetika azy tanaty harerahan-tsaina amam-panahy lalina izany. Tany an-toeram-pitsaboana saina no nisy azy, nony farany ; tao dia tsy nisy olona afaka nampiala tao anatiny ireo eritreritra matroka manery azy. Toy ny hoe nanatsofoka ny rantsantanany tao anaty kodiamiadinify izy. Nisy feo nibitsibitsika tao an-dohany, hoe : „Ny fahafatesana no hany lalana ivoahana”. Io dia feon’ilay antsoin’ny Baiboly hoe ny devoly. Ambarany marimarina antsika fa izy no ilay „mpamono olona”, ilay „mpandainga sady rain’ny lainga” (Jaona 8:44). Zava-dehibe fototra ny mahafantatra fa Andriamanitra dia tsy miantso afa-tsy ho amin’ny fiainana.

Raha toa an’i Christine ianao, tafalatsaka ambany kokoa hatrany, dia tsarovy fa Andriamanitra dia te hanarina antsika mandrakariva, te hanome antsika fatokiana ny fahasoavany, mba hahafahantsika mitodika aminy, ao amina lalam-pibebahana. Ny hoe mibebaka dia hoe miaiky ireo fahadisoany eo anatrehan’Andriamanitra, sy mangataka famelana aminy, ary koa amin’ireo nanaovantsika ratsy. Roa arivo taona atỳ aorianan’ny nahatongavany tetỳ an-tany, Jesosy dia mbola miantso hatrany „ny mpanota mba hibebaka” (Lioka 5:32). Izy dia mbola mitoetra ho ilay Samaritana tsara fanahy, izay miondrika mijery ireo navelan’ny ratsy ho efa saiky maty, mba hamerina azy ireo ho amin’ny fiainana. Nefa tsy maintsy mino fa Izy no Ilay „manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka” (Lioka 5:24). Izy tenany mihitsy no efa nanefa ny saran’izany, tamin’ny nahafatesany nisolo toerana antsika teo amin’ny hazofijaliana.