Zoma 21 Mey 2027

Rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesosy. Lioka 5:11

 

Nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesosy

Tsara vakina : Lioka 5:1-11

Misy hetsika maro ao amin’ity tantara ity : niakatra tao amina sambokely Jesosy ; nibosesika teo amoron’ny farihy ny vahoaka, mba hihaino Azy ; natoky an’i Jesosy ny mpianatra, ka niverina any an-dranomasina, nandrotsaka ny haratony, ary nitondra izany feno efa hila ho triatra ; ary farany, nampirina ny fitaovany izy ireo, mba hanaraka ny Kristy ; nandohalika i Petera.

Eo Jesosy. Ny fanatrehany, ny teniny dia tsy mampitoetra ho tsy miraharaha. Izany dia miteraka hetsika ao anatin’ny fo, ary indraindray fiovana tampoky ny zotram-piainana.

Nihataka kely ny vahoaka Jesosy, mba ho ren’izy ireo tsara, satria heno tsara kokoa ny feony avy eny ambony rano. Isika ihany koa, ndao hihaino ny teniny, izay tenin’ny Zanak’Andriamanitra, tonga mba hitondra ho antsika ny fahasoavan’Andriamanitra.

Nanipy ny haratony ny mpianatra. Hitan’izy ireo ny atao hoe habetsahana mitafotafo. Tsy hazandrano ihany no azony, fa nantsoina izy ireo mba hahazo olona ihany koa, amin’ny alalan’ny vaovao mahafaly ambaran’ny Filazantsara. Noho izany dia nahafoy ny zavatra rehetra izy ireo, ka nanaraka an’i Jesosy.

Mandraka ankehitriny ny tenin’i Jesosy dia mbola te hampihetsika antsika hatrany ! Hampivoaka antsika avy ao amin’ny fonjan’ny tenantsika, hanokatra antsika ho amin’ny fanantenana, hanome antsika fiadanana tena izy, fiadanana vaovao, tsy nampoizina. Tahaka an’i Petera, dia ndao hahay handohalika eo anatrehan’i Jesosy, hiteny aminy izay tsy milamina eo amin’ny fiainantsika. Tahaka ny nataon’i Jesosy taminy, dia te hiteny amintsika ihany koa Izy hoe : „Aza matahotra”. Mahery isika noho izany teny izany, ka ho afaka miala amin’izay mampihitsoka antsika, mba hanaraka an’i Jesosy.