Alakamisy 20 Mey 2027
Tsy mba nankalaza Azy toy izay mendrika ho an’Andriamanitra [izy], na nisaotra Azy, fa tonga zava-poana izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nandoka tena ho hendry izy, ka tonga adala. Romana 1:21-22
Maro ny tsy mino an’Andriamanitra, satria tsy mahita maso Azy. Nefa izy ireo mino fa misy ny herinaratra, ny rivotra, ny onjam-peo, ny tana-masoandro, ary ny fitiavana !…
Marina fa tsy afaka mahita maso an’Andriamanitra ny olona, nefa ampy hanaporofoana ny fisiany ny fandinihana fotsiny ny voary. Tsy ilaina velively hoe ho mpahay siansa vao ho afaka mitolagaga manoloana ny zava-mahagaga maha torontoronina zazakely, ka maha teraka azy. Na hoe ho manampahaizana manokana momba ny zavaboary vao higaga mahita bibikely iray mandeha eo ambony bozaky ny zaridaina, na voninkazo mivelatra, na rambo kanton’ny vorombola, na bohabohan-dranomandry marefo. Na hoe ho mpahay kintana vao ho sondriana manoloana ny hakanton’ny lanitra rakotra kintana. Tsy ilaina ny ho mpitsabo vao ho afaka mandinika lalina ny zava-mahagagan’ny fery sitrana. Na ho filôzôfa vao ho afaka misaina ny zava-miafin’ny fitiavana. Tsia, tsy ilaina ny ho manampahaizana manokana malaza, vao hiaiky ny maha tena izy ireo zava-mahatalanjona misy eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Ampy ny maha olombelona antsika ! Mazava ho azy fa arakaraka ny tsy fiheverana afa-tsy ny tena no tsy hahatsapana ny fisian’Andriamanitra. Araka izany, rehefa tarihin’ny sainy fotsiny ihany ny olombelona, dia manjary andevon’ireo tsy fahampiana mamarita azy, ireo foto-pisainany manokana, ireo hambony, ireo kajikajiny !
Te hahita an’Andriamantra ve isika ? Ndao àry hijanona eo am-pototry ny hazofijalian’i Jesosy Kristy. Ndao hanadino ireo petra-kevitra mialoha sy fahazoana antoka ifikirantsika. Ndao hiaiky ny fahantrantsika, ny harefontsika na ny avonavontsika. Ndao hibebaka noho ny tsy niheverantsika izany. Ndao hangataka an’Andriamanitra mba haneho ny tenany amintsika. Dia hahita Azy isika ; ary mihoatra noho izany aza, hahafantatra Azy !