Alarobia 19 Mey 2027
Ny finoana no fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hebreo 11:1
(Hoy Jesosy :) Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny. Matio 5:11
Miriama dia niaina tanaty fotoana-na fanenjehana mafy. Natahotra i Farao sao hanjary mahery loatra ny Hebreo, ka nandidy hanao „fandringanana foko” : „Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario any Neily” (Eksodosy 1:22).
Teraka tamin’izany vanimpotoana izany i Mosesy, anadahikelin’i Miriama. Nandà tsy hanolotra azy tamin’ny Egyptiana ny ray aman-dreniny, ka nanafina azy nandritra ny telo volana. Rehefa tsy hay nafenina intsony ilay zaza, dia nataon’ny reniny tanaty fiara zozoro, ary napetrany tanatin’ny zozoro teo amoron’ny ony Neily. Izany dia fihetsika mitory ny fatokian’ireto ray aman-dreny an’Ilay Andriamanitra nanankinany tanteraka ny fiainan’ity zanany.
Niafina teo akaikikaiky teo i Miriama, zazavavy kely nampiseho fitiavana sy herim-po, nanatanteraka izao asa nanirahana azy izao. Ary indro fa tonga mba handro teo amin’ny ony ny zanakavavin’ny Farao, ary nahita ilay zazakely nitomany. Antra azy izy, ary nandroso hevitra taminy i Miriama mba hitady vehivavy hebreo hitaiza ny zaza, ka nitondra ny reniny teo aminy. Fahasahiana anie izany e ! Zazavavy andevo miresaka amin’ny zanaky ny mpanjaka ! Teny vitsy no iresahana an’i Miriama, ao amin’izao tantara ao amin’ny Baiboly izao, nefa rehefa nanatanteraka antsakany sy andavany ny zavatra tokony nataony izy, dia nanjary mason-drojo tamin’ny fanafahana ny vahoakan’Andriamanitra, izay havoakan’i Mosesy amin’ny fanandevozana, atỳ aoriana.
Fampaherezana i Miriama, ho an’ny zanaky ny mpino, ary ohatra, ho antsika rehetra. Amin’izany Andriamanitra dia omem-boninahitra, noho ny finoana velona sy feno fahiratan-tsainan’ny tsirairay amin’ireo izay mandray anjara amin’ny asany am-panetrentena ary tsy miovaova.