Talata 18 Mey 2027

Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy, hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany. 1 Timoty 1:15

 

Tenin’ny Filazantsara : raisina ara-bakiteny !

Fotoana vitsivitsy lasa izay, momba ny vaovao iray notaterina vavolombelona, dia nisy mpanao gazety nilaza hoe : „Tsy tenin’ny Filazantsara izany !” Io fiteny io, matetika ampiasaina amin’ny endrika fandavana, dia midika hoe : „Afaka isalasalana ny zavatra lazainy”. Koa ny hoe „tenin’ny Filazantsara” izany dia manana hevitra mifono fahamarinana tsy azo lavina, ho an’ireo izay mandray azy, teny mitantara ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny hafatra nentiny.

Indraindray ampiasaina ombana fanesoana kely io fiteny io, nefa fantatsika ve ny tenin’ireo filazantsara efatra ao amin’ny Baiboly ? Fotoana angamba izao, handraisantsika ara-bakiteny io fiteny io, izay mitaona antsika hahita, na hahita indray, ny hafatra tsara indrindra ampitain’Andriamanitra amintsika ! Ireto misy andalan-tSoratra efatra nalaina tao amin’ireo filazantsara, miresaka amintsika ny fitiavan’Andriamanitra ny olona, nasehony tao amin’i Jesosy Kristy Zanany.

— „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

— „Indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe … Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo : ianareo hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao am-pihinanam-bilona” (Lioka 2:10-12).

— „Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo” (Matio 9:36).

— „Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” (Marka 10:45).