Alatsinainy 17 Mey 2027
Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah ; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. 1 Samoela 16:7
Raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy. Isaia 53:2-3
Toy inona ny fampisehoan’ny Baiboly an’i Jesosy amintsika ? Tsy nitafy akanjo mirenty Izy, tsy nonina tao anaty trano tsara tarehy, tsy nanao asa fivelomana fanta-daza, tsy nanana maripahaizana ambony, tsy niaina tanaty harena be. Teraka tao amina ankohonana tsy dia manao ahoana Jesosy, tahaka olona tsotsotra, tsy nanana laza manintona, na endrika tsara ivelany, tsy fanta-bahoaka. Ho afaka nandalo tsy tsikaritr’iza na iza akory Izy.
Misy olona, tsara jerena ivelany. Trano, zanaka, vola tsara tantana ; fitafy mendrika, fihetsika tsara eo amin’ny fiarahamonina, eo am-pisakafoana, any am-piasana… any am-piangonana. Toa mendrika halain-tahaka ny fiainany. Nefa ireny olona ireny dia mety manafina eritreri-dratsy, fialonana.
Tao ambadiky ny hita ivelany amin’i Jesosy dia tsy mba nisy zavatra ratsy, na fihatsarambelatsihy, tsy nisy afa-tsy ny halavorarin’Ilay Olona sady Andriamanitra. Izay nambarany dia milaza marina ny maha Izy Azy ao anatiny (Jaona 8:25). Tia ny olona rehetra Izy. Te hamonjy ny ratsy fanahy, ny very, ny olona rehetra tsy lavorary, dia isika izany. Ary satria Izy nitia azy ireny hatramin’ny nanolorany ny ainy mihitsy, dia afaka mamela heloka. Ny Filazantsara mantsy dia tantaran’ny famelan-keloka. Tantaran’ilay mpanankarena manafoana ny trosan’ilay lehilahy mahantra, ilay tafintohina mamela ilay nanafintohina azy, ilay mahery mitondra ny osa, ilay lehibe mietry hitovy amin’ny kely. Izany no tantaran’Andriamanitra ao amin’i Jesosy, Izay nidina mba hihaona amintsika tsirairay, isika mbamin’ireo fahalemena sy fahadisoantsika.
Ny kristiana dia ilay manaiky ao am-pony ny famelan-keloka atolotr’Andriamanitra. Koa hiezaka izy, tsy an-kamboamboatra, mba hanahaka an’i Jesosy Kristy, Izay „tsy miavona am-po” (Matio 11:29).