Alahady 16 Mey 2027

Ny fiangonan’ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tànako izy. Salamo 22:17

Indro Izy avy amin’ny rahona ; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza. Apokalypsy 1:7

 

Ny ratra eny amin’ny tanany

Indray andro dia nametraka fanontaniana hafahafa tamin’ireo mpianatra Baiboly ity kristiana iray, hoe : „Misy zavatra nataon’ny tanan’olona ve any am-paradisa ?” Feno toky ny iray tamin’izy ireo, namaly hoe : „Mazava ho azy fa tsy misy !” Mety ho izany koa no havalintsika, satria isika mihevitra fa lavorary tanteraka ny zavatra rehetra any an-danitra, ka tsy maintsy avy amin’Andriamanitra irery ihany. Nefa misy zavatra nataon’ny olona any, dia ireo ratra eo amin’ny tanana sy tongotra ary lanivoan’ny Tompo Jesosy. Rehefa nitsangana velona indray Izy, dia mbola teny aminy ny mariky ny ratra nanomboana Azy. Nasehony tamin’ny mpianany ny tanany voaloaky ny fantsika sy ny lanivoany voatrobaky ny lefona (Jaona 20:20). Valo andro taorianan’izany dia hoy Izy tamin’i Tomasy : „Atehefo eto ny rantsantànanao, ka jereo ny tànako ; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin’ny lanivoako ; ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa” (and 27). Rehefa hiverina etỳ an-tany Izy, mba hametraka ny fanjakany, ireo mpino dia hijery Ilay „nolefoniny” (Zakaria 12:10). Hisy hanontany Izy hoe : „Ka inona itony ratra amin’ny tànanao itony ? Dia hovaliany hoe : Naratra tao an-tranon’ny sakaizako ireny” (Zakaria 13:6). Ao an-tranon’ny Ray isika izay mino dia hahita, eo anivon’ny voninahitra mihitsy, Ilay Mpamonjintsika mitondra ireo marika tsy hay kosehina, vokatr’izay niaretany ho antsika. Hahita Anao ny olonao, eo afovoan’ny sezafiandrianana ; Tsy misy satroboninahitra tsy ho eo amin’ny handrinao, Ary samy asehon’ny tananao voaloaka Ny fanaintainana lasa sy ny fitiavan’ny hazofijaliana.