Asabotsy 15 Mey 2027

Aoka ho mpamindra fo ianareo, mba ho tahaka ny Rainareo Mpamindra fo. Lioka 6:36

Sambatra ny miantra ; fa izy no hiantrana. Matio 5:7

 

Aoka isika ho mpamindra fo

Tsara vakina : Lioka 10:30-37

Ny teny frantsay adika hoe „famindrampo” dia avy amina teny latina roa midika hoe : fahoriana sy fo. Ny hoe mamindra fo dia ny manana fo mangoraka ny fahorian’ny namany. Jesosy dia nanazava ny atao hoe famindrampo, tao amina fanoharana iray diso fantatra loatra.

Ilay Samaritana tsara fanahy, izay nahita lehilahy iray naratra, dia tsy nanontany azy ny fiaviany, na ny antokom-pivavahany, na ny antony nahatonga azy niala aina teo amoron-dalana. Onena fotsiny izy tamin’ny fijalian’io tra-doza io, nanatona azy ary nanao izay tokony hatao mba hampitsangana azy indray. Ny fehin-tenin’i Jesosy dia hoe : „Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa”. Izy ve tsy miteny amintsika, kristiana, izay afaka manao soa marobe ? Isika ve mba mijery ireo ampijalian’ny fiainana ? Mba manao zavatra ho azy ireo ve ? Raha manampoka antsika ireo fanontaniana ireo, dia angamba satria tia tena isika ka mitovy amin’ireo mpivavabavaka voalaza ao amin’ny fanoharana, izay tsy nijery ilay lehilahy mampalahelo naratra, nandry teo amoron-dalana.

Nefa isika izay mino an’i Jesosy dia novonjeny koa tamin’ny fahantrantsika, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Raha mahatsapa ny famindrampo nomena antsika isika, dia ho feno famindrampo mandrakariva amin’ireo izay mijaly ara-batana na ara-panahy.

Raha vonona kokoa isika hihaino ny hafa, raha mitandrina mba hahatakatra ireo filany, dia haniry hizara amin’izy ireo izay nankinin’Andriamanitra tamintsika, eo amin’ny lafiny ara-batana na ara-panahy.