Zoma 14 Mey 2027
Fa ianao kosa dia milazà izay mendrika ny fampianarana tsy misy kilema ; ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny faharetana. Titosy 2:1-2
Ampianarina, na ny anti-panahy aza !
Rehefa miresaka fampianarana dia mihevitra fa ny ankizy sy ny zatovo ary ny tanora, aloha, no iantefan’izany. Ny Tenin’Andriamanitra dia manokatra fijery vaovao, satria miresaka fampianarana tsy misy kilema izay tokony homena, na dia ho an’ny „anti-panahy” aza.
Efa ho 80 taona aho, ka raha misy miteny amiko hoe : „Tokony hiverina any an-tsekoly ianao”, dia horaisiko ho tsy fahalalam-pomba izany ! Nefa raha Andriamanitra mihitsy no miteny izany amiko, dia hanaiky ny fampirisihany aho, satria mahafantatra fa Izy dia te hanome ahy fahalalana lehibe kokoa momba ny fiheviny, ireo fikasany, ary ny halehibeny. Dia hitako fa tena mila ny fampianarana avy amin’Andriamanitra aho, mba hiaina „amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra” (Titosy 2:12), eto amin’ity tontolo ity. Tokony ho hita eo amin’ny fitondrantenako izany, satria Andriamanitra tsy manome fampianarana ara-potokevitra. Mifanohitra amin’izany, fa fampianarana tena ampiharina no omeny, ary ho an’ny rehetra : ny tanora sy ny zokinjokiny kokoa. Ary indrindra, ny fampianaran’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny boky fianarana tsara indrindra misy, izany hoe ny Baiboly, dia manatanjaka ny fahasalaman’ny finoako sy fitiavako ary fanantenako, mba hiteraka ny „vokatry ny Fanahy” : „fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po” (Galatiana 5:22-23). Mitaky fianarana mandritra ny fiainana manontolo ny toetra tsara toy izany !
Amin’ny alalan’ny Fanahinao, ry Tompo, ampitomboy ny finoanay ;
O ! ampireheto ny fonay, resaho anay ny momba Anao !
Mahery ny Teninao, ka mandresy lahatra sy mampianatra,
Velona ny Teninao, ka mahay manova anay.
(Hymnes et Cantiques — Fanontana 2022, laharana 295)