Alakamisy 13 Mey 2027

(Hoy Jesosy :) Koa aoreno ao am-ponareo ny tsy hihevitra rahateo izay havalinareo ; fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon’ny fahavalonareo rehetra valiana na resena. Lioka 21:14-15

Indro, Izaho momba anareo mandrakariva. Matio 28:20

 

Voafonja iray mitantara — ny fandalovana fitsarana (3)

„Tonga ny andro hitsarana ahy, fitsapana sarotra. Amin’ny maha voampanga ahy dia tsy nanana zo hiteny aho. Na nisy lainga nolazaina aza, dia tsy afaka nandà izany aho. Tamin’ny voalohany fotsiny aho no nahazo niteny, mba hanamafy ny fahamelohako amin’ireo zavatra niampangana ahy, sy mba haneho ny fanenenako sy fialan-tsiniko amin’ireo izay noratraiko. Nony farany, rehefa nomena fitenenana aho, dia mbola naneho indray ny fialako tsiny sy fanenenako. Meloka aho, ary mbola manamafy izany ankehitriny, nefa kosa tsy noraharahaina ireo toejavatra manazava amin’ny ampahany ny nataoko.

Nandritra ny fisintahan’ny vaomiera mpitsara hanapa-kevitra, dia niandry tao amina efitra maizina aho. Ny ratsy indrindra dia hoe hamafisin’ny mpampanoa lalàna ny sazy efa nolazaina : figadrana 12 taona. Koa niomana hamono tena aho. Na teo aza anefa ny famoizam-poko, dia nahatsapa fiadanam-po avy amin’Andriamanitra tenany aho. Fantatro fa nisy olona maro nivavaka ho ahy. Ary napetrako am-bavaka tamin’Andriamanitra ny didim-pitsarana hivoaka.

Araka io didy io dia higadra 6 ka hatramin’ny 10 taona aho, ary hahazo fahafahana arahina fepetra rehefa misasaka ny fotoam-panasaziana. Na dia ela aza ny faharetan’ny saziko, dia noheveriko fa ara-dariny : Andriamanitra no namaritra izany. Isaorako Azy io didim-pitsarana io, ary ny fotoana ao am-ponja dia hahafahako mandalina ny Teniny.

Noho ireo fampanantenan’Andriamanitra sy ny vavak’ireo manodidina ahy, dia naharesy ny fikorontanan-tsaina aho. Mbola mandalo fotoana mahakivy ihany aho indraindray. Nefa fantatro fa tsy vahaolana ny famonoan-tena mba ho afaka amin’ity tontolo ity sy hanatrika an’Andriamanitra.”

(tapitra)