Alarobia 12 Mey 2027

Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka fahalevonana ; fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Isaia 38:17

 

Voafonja iray mitantara — ny fisamborana (2)

„Rehefa nisaraham-panambadiana aho dia nivarilavo tamin’ireo fahazaran-dratsiko, ary nigadra nony farany. Nirodana tampoka ny zavatra rehetra : tsy nanana asa intsony aho, tsy nanana trano fonenana intsony, tsy nifanerasera tamin’ireo zanako intsony, ary fanampin’izany, nailik’ireo manodidina ahy.

Dia nanomboka ny vanimpotoana tena sarotra. Nohidina nandritra ny adiny 22 isanandro tao amina efitrakely mirefy 10 metatra toradroa aho, niaraka tamina voafonja roa lahy tsy nitovy fomba sy hevitra tamiko. Ankoatra ny fikiakan’ny varavaram-by, tabataban’ny fanalahidy, antsoantson’ireo voafonja hafa, fisavana, dia nibosesika tato an-dohako ireo eritreritro. Tsy nahita tory intsony aho. Tsy nanana fifandraisana tamin’ny reniko aho, nandritra ny volana maro. Naniry hamono tena aho, tanatin’izany toejavatra tena mandidy izany, ary nihevitra mihitsy hoe nandao ahy Andriamanitra !

Avy eo dia nisy pasitera taloha tonga nitsidika ahy isambolana, tao amin’ny efitrano firesahana. Nankafiziko izany fitsidihina izany. Nanampy ahy izy, ka nanomboka niverina tamin’Andriamanitra aho. Mba nanary dia ahy ny asa tao am-ponja, fitsangantsanganana, efitrano famakiam-boky, fanatanjahantena. Na izany aza anefa dia tsy niala tao amiko ny faniriana ho faty. Telo volana tatỳ aoriana dia nisy mpitaiza ara-panahy iray, nanasa ahy hanatrika fifampizaràna ara-Baiboly. Nanaiky aho, satria mba te hivoaka ny efitranokeliko.

Tsy nanadino ahy Andriamanitra ! Nihaino ny famoizam-poko sy ny faniriako hanapitra ny aiko ilay mpitaiza ara-panahy, ary nilaza tamiko fa tsy vahaolana ny famonoan-tena. Tsy nitsara na nibedibedy ahy izy. Nanaiky hotiavin’Andriamanitra aho, manana drafitra ho an’ny fiainako Izy. Nomen’io mpitaiza ara-panahy io alimanaka Ilay Voa Tsara Nafafy aho. Nisalasala aloha aho, avy eo namaky izany isanandro ary niverina namaky Baiboly. Niteny tamiko Andriamanitra, ary nampiseho ahy ny fitiavany, manoloana ireo fahotako. Nafahany tamin’ny tebitebiko aho, ary nomeny indray ny faniriana hiaina.”

(hitohy)