Talata 11 Mey 2027

Dia niantso an’i Rebeka izy ka nanao taminy hoe : Handeha hiaraka amin’io lehilahy io va ianao ? Ary hoy izy : Handeha aho. Genesisy 24:58

Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho ; hitsinjo anao ny masoko, ka hanolo-tsaina anao Aho. Salamo 32:8

 

Vehivavin’ny finoana vitsivitsy (3)

Rebeka, ny fanapahan-kevitra vokatry ny finoana (Genesisy 24).

Tokony ho 4000 taona izay, tany Mezôpôtamia, dia nisy tovovavy iray, Rebeka, nantsaka rano ho an’ny ankohonany. Indray takariva dia nisy vahiny iray tonga, niaraka tamina rameva folo. Nangataka rano hosotroina tamin’i Rebeka ilay vahiny, dia nomeny, ary nilazany koa hoe : „Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny”. Tsy fantany io lehilahy io, ary tsy misy na inona na inona tokony nataony ho azy. Na izany aza anefa, tsara fo tamin’io vahiny io izy, ka nanao ho azy mihoatra noho izay nangatahiny.

Io vahiny io dia tsy iza fa mpanompo nirahin’i Abrahama mba hitady vady ho an’i Isaka zanany. Nangataka famantarana avy amin’Andriamanitra izy, hoe izay tovovavy mandroso hevitra mba hampisotro rano ny ramevany no ho vadin’i Isaka. Tsy nahafantatra izany akory i Rebeka, nefa dia nanatanteraka ilay famantarana !

Nanontany azy ny fianakaviany hoe : „Handeha hiaraka amin’io lehilahy io va ianao ?” Dia novaliany hoe : „Handeha aho !” Hetsika vokatra finoana anie izany e ! Nahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra i Rebeka, ka nandao ny fianakaviany, mba hankany amin’ilay ho vadiny. Rehefa tonga soa aman-tsara izy dia nahatazana avy lavitra lehilahy irery iray, nisaintsaina sy nieritreritra an’Andriamanitra. Isaka io, ilay nampanantenaina azy ho vadiny.

Marina fa tena hafa noho izay iainantsika ny tontolo ara-piarahamonina sy ara-kolontsain’ireo olona mpifindra monina ireo, ary ny tantaran’io fangataham-bady io dia tsy afaka ampiharina ara-bakiteny velively amin’ny fanaontsika ankehitriny ! Nefa kosa i Rebeka dia manome antsika ohatra tsara ny amin’ny finoana sy fanoavana am-pahatoniana ny sitrapon’Andriamanitra. Ny firosoana amin’ny fanambadiana tokoa ve moa tsy hetsika vokatra finoana an’Andriamanitra ? izay manakambana olona roa ho mandra-maty. Ireo mpifamofo, na dia mihevitra fa efa mifankahalala aza, dia mitoky amin’Andriamanitra mba haminavina ny fanambadiana sy hiaina omban’ny fanampiany ny tantaran-tokantranon’izy ireo, ao anaty fitiavana mifamaly sy maharitra.