Alatsinainy 10 Mey 2027
Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika. Jeremia 8:20
Koa miomàna kosa ianareo ; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hiavian’ny Zanak’olona. Matio 24:44
Namaly ny fanontanian’ny zanany vavy kely momba ny nahafatesan’ny rainy ity renim-pianakaviana iray : „Tonga naka azy Andriamanitra”, hoy izy nanazava taminy. „Ary indray andro any Izy dia ho avy koa haka antsika, haka ahy sy ianao. Saingy tsy fantatsika hoe rahoviana”. Nieritreritra ilay zazavavy kely hoe : „Neny ô, raha tsy fantatsika ny fotoana hahatongavan’Andriamanitra haka antsika, dia mety ho tsy vonona isika. Mba tokony hanomboka manomana ny entantsika isika”. Amin’ny lafiny iray, dia marina ny tenin’ilay zazavavy kely. Ny fiheviny dia mitovy amin’ny an’ilay mpaminany nilaza hoe : „Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao” (Amosa 4:12). Ndao ho vonona handeha !
Izaho sy ianao ve vonona hihaona amin’Andriamanitra ? Hamaly angamba ianao hoe : nefa fiomanana ahoana moa ? Raha apetrakao amin’ny olona manodidina anao io fanontaniana io, dia azo antoka fa ho tena samihafa be ny valinteny. Nefa inona no lazain’ny Tenin’Andriamanitra ? Taomin’io Teny io isika handalo amin’i Jesosy, Ilay hany Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, hiaiky aminy ny lasantsika araka ny maha izany azy, ary avy eo hametraka aminy ny hoavintsika mandrakizay.
Ary isika mpino, inona no hoentintsika any an-danitra ? Inona no ataontsika ao anatin’ny „entantsika” ? Andriamanitra irery no manombana izay tena ho voatana amin’ny nataontsika tetỳ an-tany. Nefa kosa ity misy zavatra iray azo antoka : hoentintsika ny minitra tsirairay niarahantsika taminy, ny fotoana rehetra niainantsika teo anilany, mba hahafantarantsika Azy tsara kokoa. Ndao hikatsaka ireny fotoana ireny : ho hitantsika indray, any an-danitra, ny fanatrehany, ny fijeriny feno fitiavana, ny fiadanana niainantsika niaraka taminy tetỳ an-tany… nefa amina halehibe mahatalanjona mbola tsy takatry ny saintsika ankehitriny.