Alahady 9 Mey 2027

Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra … ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 1 Tesaloniana 4:16-17

 

Trangan-javatra mbola tsy nisy toa azy

Fantatrao ve ny iray amin’ireo trangan-javatra lehibe indrindra hiseho eto an-tany ? Izany dia ny hiverenan’i Jesosy Kristy mba haka ny mpino ! Nahafantatra ny Tompo Jesosy fa hanolotra ny ainy noho ny fahotan’ireo izay hino Azy, ary nahalala ihany koa fa ho tavela irery ny mpianany, ka niteny tamin’izy ireo hoe : „Aza malahelo ny fonareo… Ao an-tranon’ny Raiko, misy fitoerana maro… Ho avy indray [Aho] ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:1-3). Araka izany, amina fotoana iray voatendry, ny kristiana rehetra voavonjy noho ny finoana ny Kristy dia hanjavona tsy hita etỳ an-tany intsony (Soratra Masina androany). Ahoana no hiheverana izany fanjavonan’olo-marobe izany ? Tsy fantatra, nefa io trangan-javatra io dia hiavaka ao amin’ny fotoana mandeha !

Hiverina Jesosy Kristy, nefa tsy nilaza fotoana voafaritra mazava. Hoy fotsiny Izy : „Ho avy faingana Aho” (Apokalypsy 22:20). Noho izany isika dia miandry Azy amin’ny fotoana rehetra. 2000 taona eo ho eo izay no efa lasa, taorianan’io fampanantenany io, nefa ankehitriny dia fambara mialoha maro no mampiseho fa efa antomotra io fiverenany io, indrindra fa ny fiatahana kokoa hatrany amin’Andriamanitra, eo amin’ny fiarahamonina taorianan’ny nahaterahan’ny Kristy.

Ho an’ny kristiana, ny fiandrasany ny Tompo dia mahatonga azy ho vahiny etỳ an-tany, misaraka amin’ny soatoavina iorenan’ny fiarahamonintsika. Vonona mandrakariva izy handeha, tsapany koa ny maha maika ny firesahana ny fitiavan’Andriamanitra amin’ireo rehetra vesaran’ny ota ka tsy tonga saina fa Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia maty mba hanome fiainana mandrakizay ho antsika tsirairay (Jaona 3:16).