Asabotsy 8 Mey 2027

Nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe : Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy ? … Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema rehetra. Matio 2:1-3

Nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin’ny fiteniny avy izy rehetra. Asan’ny Apostoly 2:6

 

Mampahafantatra zavatra antsika Andriamanitra

Maro tsy tambo isaina ny fifandraisana amin’ny serasera, eto amin’ity tontolo misy antsika ity, ary mety hanaitra antsika ny hafaingan’ny fiovan’ny vaovao heno. Zava-mitranga goavana, nameno ny haino aman-jery nandritra ny fotoana fohy, no voatakona vaovao iray hafa, lehibe toy ireo zava-mitranga ireo, ka mampanadino azy ireo. Ny fifandraisana amin’ny serasera dia mety tsy horaisina intsony ho hafatra ahafahantsika mieritreritra, sy mihetsika araka izany.

Asehon’ireo andinin-tSoratra Masina androany antsika fa tsy zava-baovao tsy akory izany. Vanin-tantara maromaro no nanamarika ny tantaran’i Jerosalema tanatin’ny telopolo taona, nanomboka tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy Kristy ka hatramin’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana sy nitsanganany velona indray, avy eo tamin’ny nampidinana ny Fanahy Masina, nony tonga ny Andro Pentekosta. Toa tena vetivety dia olona maro no manadino ny hatairana ateraky ny trangan-javatra isanisany notantaraina.

Ireny zava-nitranga ireny anefa dia voatantara ao amina boky samihafa ao amin’ny Baiboly. Izy ireny dia manan-toerana ao amin’ny drafitra nomanin’Andriamanitra ho an’ny tsirairay amintsika, dia ny nanomezany an’i Jesosy Kristy Zanany mba ho famonjena ny olombelona.

Migaga isika manoloana ny maha ara-toetrandro mandrakariva ilay boky vita pirinty be indrindra eto amin’izao tontolo izao, sy ny maha ho an’ny olona rehetra ny hafatra entiny. Io hafatra io dia milaza fitiavana sy fanantenana, ary koa teny fahamarinana mamaritra ny andraikitry ny tsirairay hino ny Filazantsara, teny manantitrantitra „ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Asan’ny Apostoly 20:21).

Ity tontolo misy antsika ity dia feno vaovao re, tsy tambo isaina, izay vetivety dia hadino, fa isika kosa meteza hampianarin’io „tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra” io (1 Petera 1:23).