Zoma 7 Mey 2027
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra ; ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra. Isaia 53:6
„Nobeazina teo anivona ankohonana kristiana aho. Ny reniko dia nitondra anay zanany tany am-piangonana isan’alahady ; fa ny raiko kosa, izay tsy mba tao an-trano firy, dia nitodi-damosina an’Andriamanitra. Rehefa 11 taona aho dia nametraka tamin’Andriamanitra ny foko mbola zaza, niaiky tan-kitsipo ireo fahotako. Tamin’izany fotoana izany aho dia namaky ny Baiboliko isanandro.
Tatỳ aoriana ela dia nisy tranga maromaro nanohina mafy ahy tao amin’ny fianakaviako, indrindra ny fisarahan’ny ray aman-dreniko sy ny nanambadian’ny reniko indray. Nandalo fotoana sarotra be aho, rehefa nanomboka nitokantokana sy nanalavitra ny Tompo. Tsy namaky ny Baiboliko intsony aho, tsy nivavaka intsony. Namonjy fotoam-pivavahana ihany aho, nefa tsy nihaino, ary niampanga an’Andriamanitra ho fototr’ireo olana nianjady tamiko. Kristiana no fahita ahy etỳ ivelany, ary tsy tsapako akory fa nanimba ny tenako aho.
Rehefa 17 taona aho dia nipetra-drery, niantoka samirery ny fiainako. Nahafaly ahy ny nifankahita matetika tamin’ny fianakaviako, ary mbola nandray anjara ihany tamina raharaha tany am-piangonana aho. Na teo aza izany, dia nanontany tena aho hoe aiza ny toerana misy an’Andriamanitra teo amin’ny fiainako. Tsy nisy asa mihitsy hitako mba nataony tamiko, ary tsy nisy valiny ireo vavaka vitsy nataoko taminy.
Nanomboka fianarana ambaratonga ambony aho, nefa nitsahatra satria tsy nisy faharisihana tato anatiko. Taorianan’ny raharaha miaramila aho dia nanomboka niasa. Nandritra izany dia nanambady aho, ary nanan-janaka izahay. Nefa aho tsy nikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra na oviana na oviana.
Afaka 11 taona dia niafara tamin’ny fisaraham-panambadiana ireo safidy ratsy nataoko. Nahatsapa hoe te hamono tena aho, tao anatin’izany fotoan-tsarotra izany. Potika tanteraka aho. Mbola tsy niditra teo amin’ny fiainako ihany Andriamanitra !”
(hitohy)