Alakamisy 6 Mey 2027
Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa (afa-tsy amin’i Jesosy) ; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena. Asan’ny Apostoly 4:12
„Rehefa nanao jery todika aho, dia nahatsapa fa tsy nitsahatra nangetaheta an’Andriamanitra mihitsy ny foko. Lehibe izaitsizy ny fitiavany, ka navelany hohomboana teo amin’ny hazofijaliana ho ahy ny Zanany ! Na oviana na oviana Izy tsy mba nandao ahy. Tsy nandao ahy Izy, fa niara-nijaly tamiko aza, ary imbetsaka aoka izany no nanatsotra ny tanam-pitiavany tamiko, mba hahatakarako ny halehiben’ny fitiavany.
Nisy fotoana aho tsy naharaka na inona na inona intsony, nefa tonga saina ankehitriny fa rehefa toa mampamoy fo indrindra ny toejavatra, dia tsapako mazava indrindra ny maha eo anilako ny Kristy.
Tanaty fahatsapana henatra aho no natao batisa, nefa henatra nifangaro fifaliana sy fankasitrahana lalina. Menatra aho nandà ombieny ombieny an’i Jesosy. Nefa lehibe noho ny saintsika olombelona ny fitiavany. Fifaliana toy inona moa ny ahy ! tonga saina hoe io Jesosy ambaran’ny Soratra Masina io anie ka velona ankehitriny, tahaka ny nahavelona Azy roa arivo taona lasa izay. Marina avokoa izay rehetra nolazaina momba ny halehibeny —nefa raha ny marina, dia mbola lehibe kokoa noho izany Izy…
Reko nanakoako tato anatiko ny tenin’i Jesosy hoe : „Impiry Aho no ta hanangona ny zanakao… fa tsy nety ianareo !” (Matio 23:37). Tsapako ny herin’io teny io ; izy io dia afaka mampiray ny olona avy amin’ny firenena rehetra, na inona na inona fizarazaràny. Nampitsimbadika ny fiainako io zava-mahatalanjona niainako io, satria takatro fa ao amin’i Jesosy ny loharanon’ny famelana ny fahotana sy fanafahana amin’ny fankahalana.”
araka an’i Joseph Ben-Eliezer (tapitra)