Alarobia 5 Mey 2027
Jehovah ô, indrisy ny haelan’ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao ! Mitaraina aho hoe : Loza ! Nefa tsy vonjenao ihany. Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho, ary mijery fahoriana Ianao ? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, ary misy ady, sady miseho ny fifandirana. Habakoka 1:2
Eto amin’ity tontolo rotiky ny herisetra sy ny tsy rariny ary ny ady ity, misy avaly ny fijalian’ny zanak’olombelona ve ? Nandinika fatratra io fanontaniana fototra io i Joseph Ben-Eliezer (1929-2013). Nihalehibe tany Alemaina izy, tanaty fianakaviana jiosy nitebiteby noho ny pôlitika nazi. Nialokaloka tany Rosia ny fianakaviany, avy eo natao sesitany tany Siberia, ka saika maty mosary tany. Nony farany dia tody tany Israely i Joseph. Nanoloana ny vono mahatsiravina nandripahana ny Jiosy, dia tapa-kevitra izy hiady ho an’ny fahaleovantenan’ny tanindrazany vaovao. Tsy afaka tao an-tsainy anefa ny halozana vokatry ny ady : „Nahoana ny olona no tsy afaka miara-miaina am-piadanana ?”
Ny fikatsahany firahalahiana dia nitondra azy tany Frantsa, tanaty vondrona tanora mikatsaka ny lavorary, saingy tsy nahitany izay notadiaviny. Nony farany izy dia nahafantatra ny vondrona kristiana tany Bruderhof, any Alemaina. Tsy nino ny fisian’Andriamanitra izy tamin’izany fotoana izany, nefa nanoratra hoe : „Tena niezaka hiaina tanaty firaisa-monina aho, ary nahatsapa fa nisy zavatra tato anatiko nanohitra izany. Tsy vokatra hery mitarika avy etỳ ivelany ny fizahoana sy ny maha mora tezitra, fa mitoetra ao anatiko lalina ao. Nandona ahy mafy ny fahatsapana izany. Zava-poana ve izany ny fikatsahan-javatra ato anatiko ?
Indray hariva dia nisy ady hevitra henjana nipoitra. Nitsangana ny lehilahy iray, niteny hoe : „Ry namana isany, misy hery ara-panahy roa karazana : ny iray mampiombona ny olona, ny iray mampizarazara azy. Hery inona no tianareo hohenoina ao am-ponareo ?” Tsapako ny herin’ny Kristy, Izay te hanangona ny olona ao anatin’ny firahalahiana. Tamin’io fotoana io dia nampikorontana ahy tanteraka izany hery izany, ary nanova ny fiainako”.
(hitohy)