Talata 4 Mey 2027
Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanana anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana. Hebreo 11:11
Zava-poana ny fahatsaran-tarehy ; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina. Ohabolana 31:30
Zavatra roa no nanamarika ny fiainan’i Saraha, vadin’i Abrahama. Tena tsara tarehy izy, ary momba.
Ny voalohany dia zavatra tsara ; nefa niteraka fijaliana ho azy ny hatsaran-tarehiny. Indroa ny vadiny, izay natahotra ny fialonana lehilahy hafa, no nangataka azy mba hilaza hoe anabaviny izy. Niteraka korontana tao amin’ny tokantranony izany. Nefa indrindra, ny hatsarany ara-toe-panahy no tena nanentana ny fiainany. Hatsarana anaty tsy nety ho simba mihitsy na niha antitra. Araka izany, Saraha dia niavaka satria nanana „fanahy malemy sady miadana”, ary nanantena an’Andriamanitra sy nanaja ny vadiny. Amin’izany izy dia ohatra ho an’ny vehivavy mpino (jereo 1 Petera 3:2-6).
Ny fahamombana kosa dia loharanon’alahelo. Tsy mba nanan-janaka i Saraha sy Abrahama, nandritra ny taona maro, nefa Andriamanitra nampanantena taranaka maro an’i Abrahama. Nohavaozin’Andriamanitra tamin’i Abrahama mihitsy aza io fampanantenany io, ka rehefa nahare izany i Saraha dia nihomehy (Genesisy 18:10-12). Nefa nanindry tena izy, ary nino. Ambaran’ny Testamenta Vaovao hoe „nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana”. Finoana lalina, raha ny an’i Saraha ! Sady momba izy no efa antitra loatra, ka tsy afaka hiteraka intsony, nefa nino ny fampanantenan’Andriamanitra, talohan’ny hahaterahan’ilay zazakely ! Natoky an’Andriamaniny izy, natoky ny herin’ny Andriamaniny, ka nampahereziny. Koa tahaka an’i Saraha, dia ndao hiantehitra amin’Ilay ambonin’ny zavatra rehetra, fa tsy hikorontan-tsaina manoloana ny toejavatra eo amin’ny fiainantsika ; satria „tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra” (Lioka 1:37).