Alatsinainy 3 Mey 2027
Ilay nafafy teny amin’ny tsilo dia izay mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy. Matio 13:22
Ary amin’izany dia aza manahy ny amin’ny ampitso ianareo. Matio 6:34
Izy io dia zavamaniry tsara tarehy manana ravina maitso sy felana fotsy manitra, nefa tena mihanaka sy sarotra fongorina, ary manakorontana ireo tamba-tontolo iainana manodidina azy. Ny tahony any ambany tany, antsoina hoe „rhizomes” (vahy be), dia misandrahaka be, ary mahatratra hatrany amin’ny 2 metatra ny halaliny.
Ao amin’ny fanoharana ao amin’ny Matio 13, Jesosy dia mampiseho ireo fomba samihafa fandraisana ny tenin’Andriamanitra. Mangeja azy eo amin’ny fiainantsika ny fiahiahiana izao tontolo izao, toy ilay zavamanirin’i Japana, izay manafoana ny zavamaniry hafa. Maminavina izay mety hitranga isika, ka manjary manahy, feno tebiteby, voasaringotra ao anaty haraton’ny tahotra, mitanondrika ao amin’ny tenantsika… Nampahery ny mpianany ny Tompo Jesosy hoe : „Aza manahy ny amin’ny ainareo” (Matio 6:25). Hanoratra ny apostoly Paoly atỳ aoriana hoe : „Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra” (Filipiana 4:6).
Ao ambonintsika ao misy Ray mitsinjo antsika, dia Ilay Andriamanitra Tsitoha. Ndao hiverina mandrakariva amin’ny fampanantenan’ny Teniny, handraikitra ireny ao amin’ny fitadidiantsika, mba ho tonga ao an-tsaintsika izy ireny, rehefa mamely antsika ny tahotra na ny fanahiana.
Ndao hitondra eo amin’Andriamanitra izay rehetra manavesatra antsika, amina vavaka feno fatokiana, „apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo” (1 Petera 5:7). Mpino maro no efa niaina ny fiadanan’Andriamanitra, tao anaty toejavatra tena sarotra : „Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao” (Salamo 94:19).