Alahady 2 Mey 2027
Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitanany volotara ny tànany ankavanana ; dia nandohalika teo anatrehany izy, ka naneso Azy hoe : Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy ! Matio 27:29
Ary manana anarana voasoratra amin’ny lambany sy ny feny Izy, nanao hoe : MPANJAKAN’NY MPANJAKA SY TOMPON’NY TOMPO. Apokalypsy 19:16
Ny 6 mey 2023 dia nasandratra ny mpanjaka Charles III, tao amin’ny tranon-drelijiozy ao Westminster, any Londra (Angletera). Nametraka ny tanany teo ambony Baiboly izy, ary nanao fianianana. Avy eo izy dia notolorana ireo famantarana maha mpanjaka azy : ny fitafiana, ny sarin’ny bolantany, ny tehim-piandrianana, ary ny satroboninahitra. Mpijery fahitalavitra an-tapitrisany no nahita ny rentin’ny lanonana.
Fa ny Baiboly kosa dia mampahatsiahy fotoana mbola feno voninahitra lehibe kokoa, izay hampitolagaga ny mpanjaka rehetra eto an-tany. „Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro ; ny mpanjaka hitampim-bava aminy ; fa izay tsy mbola nolazaina tamin’ireny no ho hitany” (Isaia 52:15). Tsy ho ela dia hiseho Jesosy Kristy, mba hanjaka amin’izao tontolo izao. Izy tokoa mantsy no Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.
Tonga indray mandeha tetỳ an-tany Izy, 2000 taona mahery lasa izay, tsy mba nitaky ny zony, na dia teraka ho Mpanjaka aza. Nahafantatra izany ny magy, ka naneho ny fanajana tandrify Azy (Matio 2:2-11). Nefa nolavina sy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, ary ny anaram-boninahitra maha Mpanjaka Azy dia nesoina tamin’ny soratra napetraka teo amin’ny hazofijaliana (Matio 27:37). Avy eo dia nitsangana velona indray Izy, ary noraisin’ny lanitra niaraka tamin’ny fanajana rehetra mendrika Azy. „Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy, ka hiditra any amin’ny voninahiny ?” (Lioka 24:26). Izy no Ilay Mpanjaka any an-danitra. Nefa mba firy ny manaiky izany anaram-boninahiny izany ?
Rehefa nino ny Tompo Jesosy aho, mba asehoko amin’ny fitondrantenako ve hoe Izy tokoa no Tompon’ny fiainako ? Fahasambarana toy inona moa ny ahafahana miara-miteny amin’ny apostoly Paoly hoe : „Ho an’ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay” (1 Timoty 1:17).