Asabotsy 1 Mey 2027
Izaho (Jesosy) no Alfa sy Omega, ny Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana. Apokalypsy 22:13
Izay hatramin’ny voalohany… dia ny amin’ny Teny Fiainana … no ambaranay aminareo. 1 Jaona 1:1-3
Ny Baiboly dia miresaka amintsika fiandohana lehibe telo.
1- Ny mandrakizay efa lasa : „Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra” (Jaona 1:1). Tsy daty na zava-nitranga no resahina eto, fa ny nisy talohan’izay rehetra noarìna, na ara-panahy izany na ara-batana. Eo ny teny hoe „fiandohana”, mba hampahatakatra antsika fa ny „Teny” dia efa talohan’ny zavatra rehetra. Io Teny io dia „misy” mandrakizay —„tao amin’Andriamanitra” (miavaka aminy), ary „Andriamanitra” (Andriamanitra araka ny maha Izy Azy).
Tsy afaka mahatakatra io fiandohana mandrakizay io ny sain’olombelona, nefa ampahafantarin’Andriamanitra antsika fa io Teny niandoha voalohany io dia Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ary Andriamanitra mihitsy.
2- Ny fahariana izao tontolo rehetra izao : „Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). Indro fiandohana faharoa : Andriamanitra nampisy izao tontolo rehetra izao, tamin’ny Teniny maha ary. „Fa Izy no niteny, dia ary izany” (Salamo 33:9). Izany no niandohan’ny tontolo manontolo azo tsapain-tanana sy tsy azo tsapain-tanana manodidina antsika, hatramin’izay lehibe tsy voafetra ka hatramin’izay kely tsy voafetra.
3- Ny fahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany : Ity fiandohana fahatelo ity (andinin-tSoratra Masina faharoa androany) dia misy daty voafaritra : ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Tamin’io andro nidirany teto amin’izao tontolo izao io Jesosy dia nohobina : „Imanoela”, amintsika Andriamanitra (Matio 1:23). Amin’ny alalany, Izy Izay „ny fiandohana sy ny fiafarana”, dia tonga Andriamanitra nanatona ny olona ; ary izay olona mino an’i Jesosy Kristy dia manjary olom-baovao, fahariana vaovao (2 Korintiana 5:17).