Zoma 30 Avrily 2027

Misaotra ny Ray, Izay … nahafaka antsika tamin’ny fahefan’ny maizina ka namindra antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany. Kolosiana 1:12-13

Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra… ary ny roa ambin’ny folo lahy nanaraka Azy, mbamin’ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina. Lioka 8:1-2

 

Jesosy, Ilay Mpanafaka antsika

Nisy vehivavy kristiana namana iray, nitantara taminay fa ny anadahiny dia nanana olana momba ny zava-mahadomelina hatramin’ny fahatanorany, ka tsy tafavoaka tamin’izany. Tsapany ny toetra mampalahelo iainany, ary takany tsara ny hevitr’ilay andininy ao amin’ny Baiboly hoe : „Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin’ny nofoko” (Romana 7:18). Nahita tao amin’i Jesosy ny Mpamonjiny izy, nefa nila hery hiainany fiainam-baovao. Toy izany koa ve ianao ? Amin’io karazana fiankinan-doha io na karazany hafa ?

Te ho Mpamonjintsika aloha Jesosy, Izay maty teo amin’ny hazofijaliana mba hanafaka antsika tamin’ny fanamelohana mendrika antsika noho ny fahotantsika. Nefa tsy ny famonjena antsika mandrakizay ihany no azony, fa misy vokany eo amin’ny fiainantsika eto an-tany koa ny asam-pitiavany : te ho Mpanafaka antsika Izy. Mahay manala antsika amin’izay rehetra mangeja antsika Izy, mba hahafahantsika miaina fiainam-pahasambarana. Mahay manao izany Izy, satria Andriamanitra Tsitoha. Fony tetỳ an-tany Izy dia nanafaka olona maro, izay indraindray tena voa mafy. „Jesosy … nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy” (Asan’ny Apostoly 10:37-38).

Jesosy dia maty sy nitsangana velona indray, porofo fa resy i Satana sy ny fahafatesana. Any an-danitra Izy ankehitriny, nefa tsy miova : mbola azontsika sitrahina hatrany ny heriny. Te hanafaka antsika Izy, satria tia antsika sy te hahasambatra antsika. Ndao hino ny heriny tsitoha sy ny fitiavany. Ndao hitandrina tsara mba handraisantsika ny fanampiana hainy atolotra antsika. Mpanafaka antsika hatrany Jesosy.