Alakamisy 29 Avrily 2027

Fa tsy eto no fitsaharana, satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto. Mika 2:10

Andriamanitra tokoa no iantombenan’ny fanahiko. Salamo 62:1

 

Fitsaharana inona no tadiavinao ?

Etsy misy trano iray any ambanivohitra, nomena anarana hoe „Ny fitsaharako”, ana mpivady antitra misitraka fisotroan-dronono efa nandrasana ela. Eroa, ary fomba kokoa, voahodidina zaridaina lehibe, trano mihaja antsoina hoe „Fitsaharana tsara”, onenana mpivarotra efa nitsahatra tamin’ny fandraharahany. Firifiry moa ny „fitsaharana” nokatsahina fatratra ! azo noho ny asa mafy natao. Sitrahina vetivety ireny, ary avy eo, tsy ampoizina dia misy aretina, fitsapana, fahadisoam-panantenana, na famoizana olon-tiana. Jereo ange e, ny tranon’ity mpiaramonina aminay, novidina mpivady tanora ary nohavaozin’izy ireo tanaty fihafiana sy asa be, dia namidy dimy taona tatỳ aoriana. Nisaraka izy mivady… Tsy mba azo antoka ny fitsaharantsika etỳ an-tany, ary ny fieritreretana fa hifarana na ho ela na ho haingana izany, dia efa manimba sahady ny fisitrahana azy. Ianao izay reraky ny fiainana, reraka noho ny hafa, na noho ny tenanao mihitsy aza, io fitsaharan’ny fanahy tsy hitanao mandrakizao io dia Jesosy irery ihany no afaka manome azy anao. Eto amin’ity tontolo tsy ahitana fitsaharana maharitra ity dia mbola re ankehitriny ny feony miantso hoe : „Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Ho an’ny fo mijaly, ho an’ny fanahy malahelo sy trotraka Dia misy fitsaharana mamy, ry Jesosy, ao amin’ny fitiavanao, Fitsaharana maharitra ao anatin’ny fahasoavana tsy hay lazaina, Fahasoavana nikaroka mpanota sy nitondra ny enta-mavesany.

 

Fitsaharana, fitsaharana avy amin’Andriamanitra ! Anananay eto an-tany izany Raha toa izahay manaraka ny lalana mamirapiratra hazavana, Izay mitondra anay mankany aminao, any ambony ao anaty fahazavana, Ao amin’ny fitsaharana mandrakizay ho an’ny olona rehetra navotana.