Alarobia 28 Avrily 2027
Indro, izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra indroa amin’ny olona, eny, intelo aza, mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin’ny fahazavan’aina. Joba 33:29-30
Nisy olona vitsivitsy feno tebiteby, niondrika nijery ity mpiasa vao nianjera avy teny an-tafontrano. Tamin’izay fotoana izay dia nahiratr’ilay lehilahy ny masony. Hay izany mbola velona izy ! Nalefa avy hatrany tany amin’ny hôpitaly izy. Gaga tsy nisy ohatra izany ilay dokotera nizaha azy : faritra mangana vitsivitsy fotsiny no teo amin’ny tenan’i Philippe.
Ny rainy, izay kristiana mafana fo, dia niteny tan-kitsimpo tamin’ny fieritreretan’ity zanany hoe : „Tsy nisy afa-tsy dingana iray, teo anelanelanao sy ny fahafatesana. Narovan’Andriamanitra ianao. Ho taiza ianao ankehitriny ? raha tsy nanao izany Izy.” Nefa nanadino io loza io ilay tovolahy, ary nanohy niaina tsy nisy an’Andriamanitra.
Nandeha ny taona. Indray andro i Philippe dia nanampy namana iray hanolo ny temitry ny rindrin’ny efitrano fisakafoana. Nesorin’izy ireo aloha ny temitra tonta. Nisy temitra gazety tranainy nipoitra tao ambaniny. Novakin’i Philippe haingankaingana izany. Avy eo ny masony dia nijanona teo amina lahatsoratra iray : „Omaly i Philippe B. dia niasa teny ambony tafo ary nianjera avy tany amin’ny folo metatra. Ratra maivana fotsiny no hita, tany amin’ny hôpitaly nitondrana azy.”
Nandona ny aty fon’i Philippe izany teny izany. Nampahatsahivin’Andriamanitra azy ny niarovany azy elabe tany aloha. Rehefa niady anaty nandritra ny andro vitsivitsy izy dia nibaboka hoe : „Tompo Jesosy ô, afaho amin’ny sitrapoko madi-doha aho, fa te hatoky Anao. Mino aho fa mahay mamafa ny fahotako koa ny ranao.”
Nahita fiadanana tamin’Andriamanitra izy, ary nanomboka fiainam-baovao niaraka tamin’ny Mpamonjiny.