Talata 27 Avrily 2027

Ary ralehilahy nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin’ny olombelona rehetra. Genesisy 3:20

(Hoy ny anjely tamin’i Josefa :) Hiteraka Zazalahy izy (Maria), ary ny anarany hataonao hoe JESOSY ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany. Matio 1:21

 

Vehivavin’ny finoana vitsivitsy (1)

Eva, ilay vehivavy voalohany

Eva dia fantatra tamin’ny nahalavoany noho ny fakam-panahy tao an-tsaha Edena, nefa ny fanantenana sy ny finoana dia nanamarika ny fiainany koa. Nolazain’Andriamanitra ny sazy noho ny tsy nankatoavan’i Adama sy Eva, ary nanome teny faminaniana ihany koa Izy : ny taranak’i Eva dia hanorotoro ny lohan’ny menarana (Genesisy 3:15). Hafatra mitory fanantenana anie izany e ! Tsy ny ratsy no hahery kokoa, ary taranak’i Eva iray no handresy azy ! Eo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia handray eo amin’ny tenany ny fahotan’ireo rehetra mino, ary hamela izany indray mandeha tsy miverina. Amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany velona indray Jesosy dia handresy an’i Satana, izay „manana ny herin’ny fahafatesana” (Hebreo 2:14). Noho ny maha renin’ny olombelona rehetra sy razamben’Ilay haharesy ny ratsy an’i Eva („velona” na „loharanon’aina”, amin’ny teny hebreo), dia tena tandrify ny anarany.

Nino io fampanantenana io i Eva. Rehefa niteraka ny zanany voalohany izy, dia niteny hoe : „Efa nahazo zazalahy tamin’i Jehovah aho” (Genesisy 4:1). Eva no voalohany nampiasa ny anarana hoe Kaina, entina hiresahana an’Andriamanitra ; tsapany ny herin’Andriamanitra. Tamin’izy niteraka an’i Seta, zanany fahatelo, dia hoy ny teniny : „Andriamanitra… efa nanome ahy zanaka anankiray koa, ho solon’i Abela, satria novonoin’i Kaina izy” (Genesisy 4:25). Ambarany amin’izany ny fahoriany noho ny nahafatesan’i Abela, nefa ihany koa ny fikarakaran’Andriamanitra, Izay nanome azy an’i Seta. Ho lohalaharana taranak’olon’ny finoana izy.

Na teo aza ny fahalemen’i Eva, dia vehivavin’ny finoana izy, nahay nitoky amin’ny Andriamaniny sy nino ireo teny fampanantenany, na tanaty fifaliana na tanaty fahoriana.

(hitohy amin’ireo talata manaraka)