Alatsinainy 26 Avrily 2027
Ny saina tsy miovaova dia harovanao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Isaia 26:3
Miantombena tsara miandry an’i Jehovah ianao, ka manantenà Azy. Salamo 37:7
Ady mananontanona, valanaretina tsy miseho, fikorontanan’ny toetrandro, fidangan’ny vidim-piainana, olana momba ny angovo… ahoana moa no hahitana filaminana eo anivona toejavatra miteraka tebiteby toy izany ? Ampahatsahivin’ny Baiboly antsika ny tenin’i Davida mpanjaka, izay afaka niteny teo anivona zava-tsarotra hoe : „Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy ; iza no hatahorako ? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ?” Izany fatokiana sy fiadanana izany dia avy amina fifandraisana akaiky iaraha-miaina amin’Andriamanitra. Toy ny hoe miara-mitoetra aminy ao „an-tranony” (Salamo 27:1, 4). Eto Davida dia mahatsapa fa Andriamanitra dia Tsitoha ka mitahiry azy ho voaaro eo anivon’ny loza.
Ankehitriny, izay mino an’i Jesosy, tonga avy tany an-danitra mba hitondra fahazavana sy fiainana, dia manana an’Andriamanitra ho Ray. Nahazo hery (Nahazo ny zo) maha zanak’Andriamanitra (Jaona 1:12). Izay mino Azy dia matanjaka noho io fifandraisana io, ka afaka miresaka amin’Andriamanitra toy ny amina Ray tia azy. Mihevitra izay rehetra manafika ahy eto amin’ity tontolo ity Izy, mihevitra ny tebitebiko rehetra. Ndao hivavaka amin’Andriamanitra, azo antoka ny fampanantenany hikarakara antsika.
Niaina izany ny apostoly Petera tamina fotoana iray nampangitakitaka (jereo Asan’ny Apostoly 12:1-11). Nanagadra ny kristiana ny mpanjaka Heroda ary nampamono ny sasany. Vao avy nampamono ny apostoly Jakoba izy, tamin’ny fotoana nigadran’i Petera. Nasiana rojo vy izy, nambenana andia-miaramila efatra, andia nisy miaramila efatra avy. Tsy hoe tanaty toejavatra miteraka tebiteby fotsiny i Petera, fa tena nampangorohoro mihitsy. Na izany aza anefa dia natory tam-pilaminana izy, tao an’efitrano nanagadrana azy. Taominy isika, ao amin’ny epistiliny, mba hametraka amin’Andriamanitra ny fanahiantsika rehetra, „fa Izy no miahy anareo” (1 Petera 5:7).