Alahady 25 Avrily 2027
Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe : Fiadanana ho anareo. Ary hoy Izy tamin’i Tomasy : Atehefo eto ny rantsantànanao, ka jereo ny tànako ; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin’ny lanivoako ; ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa. Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe : Tompoko sy Andriamanitro ! Jaona 20:26-28
Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, ny zoma-n’ny herinandro nankalazana ny Paska tany Jerosalema. Ny alahady hariva Izy dia tonga teo afovoan’ny mpianany, nahita Azy velona. Teo Izy, tao amin’ny trano nisy azy ireo, na dia nihidy aza ny varavarana, satria ny mpianany natahotra ireo mpanohitra. Tsy nanome tsiny ny mpianany nandositra nandritra ny fitsarana Azy Jesosy, fa niteny taminy kosa hoe : „Fiadanana ho anareo !” Tsy teo i Tomasy tamin’io hariva io, ary tsy nino. Hoy mihitsy aza izy : „Raha tsy hitako eo amin’ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin’ny holatry ny nohomboana ny rantsantànako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tànako, dia tsy mba hino aho” (Jaona 20:25). Fa ny alahady manaraka kosa, rehefa tafangona ny mpianatra, dia niseho indray Jesosy, toy ny tamin’ny heriny, teo afovoan’izy ireo. Teo koa i Tomasy, ary hoy Jesosy taminy : „Atehefo eto ny rantsantànanao, ka jereo ny tànako ; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin’ny lanivoako ; ary aza ho isan’izay tsy mino, fa minoa !” Dia nihiaka i Tomasy, nitsaoka, niteny hoe : „Tompoko sy Andriamanitro !”
Ry kristiana namana, matahotra ve isika ? eto amina tontolo manohitra an’Andriamanitra. Te hamory antsika Jesosy, ara-panahy, hanodidina Azy, te hampiaina antsika ny fanatrehany. Tsy nilaza ve Izy hoe : „Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho” (Matio 18:20) ? Vesaran’ny lasa sy ireo fahadisoantsika ve isika ? Jesosy dia manolotra antsika ny fiadanany sy manadio antsika ho afaka amin’ny fahotantsika. Feno fisalasalana ve isika, tahaka an’i Tomasy ? Omen’i Jesosy antsika ny fahasoavany. Ndao hanatona Azy am-patokiana, hino ireo fampanantenany voasoratra ao amin’ny Baiboly, mba hahafantatra Azy sy hitsaoka Azy !