Asabotsy 24 Avrily 2027
Nony nandroso teny an-dàlana izy, dia nisy anankiray nanao tamin’i Jesosy hoe : Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao. Fa hoy Jesosy taminy : Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana fialofana ; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany. Lioka 9:57-58
Jesosy dia aseho ao amin’ny Baiboly ho Ilay nirahin’Andriamanitra, Ilay Andriamanitra tonga olona, Ilay Tsitoha sy manao fahagagana, voatendry hanjaka indray andro any…
Nefa ny teny voalohany ao amin’ireo filazantsara dia manoritra Azy aloha, ho Ankizy kely tsy manana toerana eto amin’izao tontolo izao. Avy eo, nandritra ny fanompoany, ho Lehilahy tsy manana izay hipetrahan’ny lohany (Soratra Masina androany), lavina, toherina, atao haza lambo, ary farany, novonoina. Ny fara antsoantson’ny valalabemandry momba Azy dia hoe : „Ento, ento, homboy amin’ny hazofijaliana Izy !” (Jaona 19:15).
Ankehitriny, ato anaty tontolo mihevitra hoe mandroso anefa, olona firy no mba mahatsiaro tena ho voailika sy manirery tahaka an’i Jesosy tetỳ an-tany ? Anisan’ireo ve ianao ?… Na dia tsy niaina ny atao hoe tsy manan-trano fonenana aza ianao, dia mety hieritreritra fa tsy manan-toerana mihitsy eto amin’izao tontolo izao, tsy ekena, ary mijaly mafy mahatsapa tena hoe „tsy ilaina”.
Dia manjary takatra feno ny antony nahatongavan’i Jesosy teto an-tany. Indray andro any mantsy Izy dia hekena ho Mpanjakan’izao tontolo rehetra izao, nefa ankehitriny aloha Izy dia Mpanjakan’ireo rehetra mijaly. Mpanjakan’izy ireo, satria Izy tokoa no voalohany amin’izy ireo, Ilay mahafantatra, mihoatra noho ny olona rehetra, ny atao hoe tsy ekena sy tsy raisin’iza na iza. Koa ankehitriny Izy dia manatona ny ory, ny tsy manan-kialofana, ny vahiny. Nefa manatona ihany koa ny olona tsirairay, na manao ahoana na manao ahoana toe-piainany, ary miteny aminy hoe : „Tonga Aho hitady anao eo amin’izay toerana misy anao sy eo amin’izay iainanao, mba hanampy sy hamonjy anao, mba hampahafantatra anao ny fitiavan’Andriamanitra.”