Zoma 23 Avrily 2027
Raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany ; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho ! 1 Korintiana 9:16
Ao amin’ny bokiny „Ny herin’ny fahazavana”, natonta tamin’ny taona 2004, ny Frère André (misionera tany URSS taloha sy tany Moyen-Orient, mpanorina ny fikambanana „Portes Ouvertes” (Varavarana misokatra), manampy ny kristiana enjehina) dia nanoratra hoe : „Raha toa isika mbola mihevitra olona iray —silamo, komonista, mpanao asa fampihorohoroana- ho fahavalo, dia tsy afaka hikoriana ao anatintsika ny fitiavan’Andriamanitra, mba hahakasihantsika ny fon’io olona io.”
Tamina resaka nifanaovana taminy dia hoy koa izy : „Na oviana na oviana isika tsy afaka hitory Filazantsara amin’ny silamo, amin’ny fampanekena azy ny iray amin’ny foto-pampianarantsika. Ny fitiavana sy ny fangorahan’i Jesosy no tokony hasehontsika azy ireny, amin’ny fiheverana olona verys, very tanteraka, miaina anaty haizina. Mitondra hazavana kely isika, ary mampahery ny fiangonana, izay eo mandrakariva mba ho fahazavana. Tokony ho sahy isika manatona azy ireny sy milaza aminy hoe : ‚ny tadiavinareo dia anananay’”.
Isika ve, tahaka an’i Frère André, mba manana fitiavana kristiana ? ho an’ireny olona rehetra ireny, izay matetika mora aoka izany amintsika ny manameloka na manilika azy ireny mihitsy aza. Ny hoe mitia azy ireny dia tsy hoe mikatsaka hanova azy ireny hanjary kristiana, fa voalohany indrindra, miresaka amin’izy ireny ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiavan’i Jesosy Kristy Zanany. „Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Andriamanitra dia tia ny olona rehetra, ary isika mpino dia antsoina mba ho tia ny olona rehetra, na ireo fahavalontsika aza (Lioka 6:27), ka haneho izany amin’ny fomba hita maso.