Alakamisy 22 Avrily 2027
Koa raha ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Jaona 8:36
Ny horonantsary Amistad, nivoaka tamin’ny taona 1997, niainga tamina zavatra tena nitranga, dia mitantara ny tantaran’andevo tany Afrika Andrefana, tamin’ny taona 1839. Taoriana-na tafiodrivotra izy ireo dia nanjary nibaiko ny sambo „La Amistad” izay nitondra azy ireo, rehefa namono ny kapitenin-tsambo sy tantsambo vitsivitsy teo amin’ny fanamoriana. Voasambotra indray anefa izy ireo, ary nogadraina sy notsaraina tany Etazonia. Nandritra ny fitsarana, izay naely fatratra noho ny adihevitra momba ny fanandevozana tamin’izany vanimpotoana izany, dia nirehi-po niady ho an’ny fanafahana azy ireo i Cinqué, lehiben’ny andevo. Nampangina ny mpanatrika ny teny tsotra telo naverimberina lehilahy nifatotra rojo, niteny teny anglisy ratsy, nihamafy kokoa hatrany, hoe : „Give us free (Omeo anay afaka) !”. Nafahana ihany ireo lehilahy ireo nony farany.
Amin’izao androntsika izao, ny ankamaroan’ny mpiara-belona amintsika dia tsy matahotra horohizana rojo ara-batana intsony, nefa isika rehetra dia voagejan’ny toetra maha olona antsika, izay tsy te hihevitra an’Andriamanitra. Manolotra antsika fanafahana amin’ny fatorantsika Jesosy (andinin-tSoratra Masina androany). Na dia nilaza ny tenany ho olona afaka aza ny sasany tamin’ireo izay nihaino Azy (Jaona 8:33), dia ny mifanohitra amin’izany no nasehon’ny teny sy asany.
Miantsoa an’i Jesosy isika, mba hiteny tahaka an’i Cinqué hoe : „Omeo fahafahana aho !” Henon’i Jesosy ny antson’ireo izay andevozin’ny fandavany an’Andriamanitra, andevozin’ny tahotra, ny tsy fahombiazana, ny lasa, na ny fiankinan-doha isan-karazany. Ary mamaly izany amin’ny fomba tsara indrindra Izy. Ny tena fahafahana dia atokana ho an’ireo izay mino fa Izy no Ilay Zanak’Andriamanitra tonga tetỳ amin’izao tontolo izao, mba hanapatapaka ny fatoran’izy ireo sy hamonjy tanteraka azy ireo, tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fitsanganany velona indray.