Alarobia 21 Avrily 2027

Salamo nataon’i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Salamo 23:1

Salamo nataon’i Davida. Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Ianao ? Salamo 22:1

 

Fikarakaran’Andriamanitra rehefa tafavoaka ny fonja

Tamina fihaonana ara-Baiboly tany amin’ny fonja any V. dia nisy voafonja maromaro voakasika takelaka iray ao amin’Ilay Voa Tsara Nafafy. Izao no novakìn’izy ireo : „… rehefa ao an-tranonao ianao, dia mety mahazo an-tsaina ihany izay mitranga any amin’ny arabe… nefa rehefa eny amin’ny arabe ianao, dia tsy mahazo an-tsaina izay any anatin’ny trano”. Ho an’izy ireo, ny „trano” dia ny fonja misy azy ireo, tontolo mihidy, tsy tena tiana ho fantatra rehefa any ivelany isika…

Ludovic, iray amin’ny voafonja, nigadra efa herintaona mahery, dia madiva hivoaka. Ny azy dia ny „any ivelany” no atahorany : hahita indray tontolo manahirana eo amin’ny fianakaviana, namana hitaona amin-javatra manimba, fakam-panahy tena mafy, tranga mety hitarika hanao zava-maha meloka indray… Ahoana no hahafahany miatrika io „tsambikina any amin’ny tsy fantatra” io ? nefa nandritra ny volana maro izy, tao am-ponja, ivelan’izao tontolo izao sy ny fandrika velariny, dia afaka nankamamy ny maha eo anilany ny Mpamonjiny.

Ny marainan’io fihaonana io i Ludovic dia namaky ny Salamo 23. Nangatahiny ny voafonja mba hamerina mamaky io lahatsoratra mahafinaritra io, lahatsoratra manoritsoritra ny fikarakaran’Ilay Mpiandry Tsara ny ondriny, na amin’ny fotoana milamina na rehefa misy fitsapana. Iza moa io Mpiandry ondry io ? Koa naverina novakìna ny fiandohan’ny Salamo 22, mampiseho mialoha ny fijalian’i Jesosy Kristy, Izay nanefa ho mandrakizay, teo amin’ny hazofijaliana, ny trosan’ny fahotantsika. Eny, Jesosy, Ilay Mpiandry antsika, dia Mpamonjy antsika aloha !

Hoy ny iray tamin’izy ireo mantsy an’i Ludovic : „Vakio isa-maraina ny Baibolinao, ary mivavaha !” Toro hevitra tena tsara ! ho an’izay nahazo fahafahana indray, nefa ho antsika tsirairay koa : miaina eo akaikin’i Jesosy, Ilay Andriamanitra Mpiandry antsika, Izay mahafantatra ny loza rehetra mananontanona, ka afaka miaro antsika amin’izany.