Talata 20 Avrily 2027

Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho ; efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. Isaia 43:1

Izy (Kristy) dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay, ho an’izay rehetra manaraka Azy. Hebreo 5:9

 

Ny famonjena : fanafahana maimaimpoana sy ho mandrakizay

Asehon’ny tantaran’ny zanak’olombelona, nanomboka tamin’ny fahariana, fa na oviana na oviana aho dia tsy ho afa-manatontosa, amin’ny heriko manokana, izay andrasan’Andriamanitra amiko. Noraisiny an-tanana ny zavatra rehetra mba hamonjeny ahy, tamin’ny nanirahany an’i Jesosy. Teo amin’ny hazofijaliana Jesosy Kristy dia nizaka ny fanamelohana mendrika ahy, noho ny maha mpanota ahy ; tsy misy intsony resaka hoe manao asa soa mba hahavoavonjy, fa hoe manaiky ny asa nataon’i Jesosy Kristy ho ahy. Andriamanitra no miasa, dia izaho no mandray ; Andriamanitra no manolotra, ary izaho no manaiky handray !

Ho mandrakizay ve io famonjena io ? Eny ! Novonjen’i Jesosy aho, satria tsy mahavonjy tena ; ary mbola izany ihany ankehitriny ! Ireo fahotako dia mampiseho izany tsara. Koa tsy andrasany amiko ny hihazona, amin’ny ezaka sy asa ataoko, ny famonjena ahy. Io dia fanomezana avy amin’Andriamanitra ! Tsy tiany ny hahita ny zanany miaina anaty tebiteby tsy mitsahatra, hoe ho very izy io ! Ny mifanohitra amin’izany aza, fa ampirisihiny fatratra aho hifaly mandrakariva ao amin’ny Tompo (Filipiana 4:4). Ho afaka mifaly mandrakariva ve aho ? raha miaina anaty tahotra ny hahavery ny famonjena ahy.

Raha ratsy fitondrantena aho, dia hosakanan’Andriamanitra tsy handeha amin’izany lalana ratsy izany, ary haveriny ho eo aminy. Tsy handà ahy na oviana na oviana Izy, nefa kosa hanitsy ahy araka ny maha Ray Azy, satria zanany aho ary tiany (Hebreo 12:5-8). Zanany aho, ary mitoetra ho izany hatramin’ny farany !