Alatsinainy 19 Avrily 2027

(Hoy Jesosy :) Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe : Tsy maintsy hateraka indray ianareo. Jaona 3:7

Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. Lioka 5:32

 

Tsy misy teraka kristiana, fa manjary kristiana

Io fehezanteny io dia nosoratan’i Tertullien (150-220 tany ho any), iray amin’ireo antsoina hoe „Rain’ny Fiangonana”. Tsy hoe kristiana ny olona satria teraka tao anaty fianakaviana na tontolo kristiana, fa manjary kristiana amin’ny alalana „fahateraham-baovao”, iainana amin’ny finoana ny Kristy. Mba hiainana izany dia tsy ampy ho ahy ny hoe liana amin’izay nolazain’i Jesosy na nataony „fony nanapaka Pontio Pilato”, na ny manaraka fombafomba. Tokony hahatsapa aho fa nanao ratsy, hahatsapa fa tsy tsara ny ao anaty foko lalina ao, ary hino fa Jesosy, noho ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, dia mamela ny heloko sy manafaka ahy amin’izany ratsy rehetra mahamenatra sy manavesatra ahy izany.

Nobeazina tao anaty ankohonana kristiana aho, ary mbola kely dia efa nampianarina hihaino ny Baiboly teo anivon’ny ankohonana ; saingy taona maro no nandalo vao tsapako ny fiadanan’Andriamanitra sy fantatro ny fitiavany, nefa nisy hafa manodidina ahy efa niaina io fiadanam-po io tamina fomba mahery vaika. Hitako ny fifaliana nisoritra teny amin’ny endriky ny anabaviko vavimatoa, rehefa nino ny Tompo Jesosy izy.

Indraindray koa dia aorianan’ny nanalavirany an’Andriamanitra no iverenana tanora —na zokinjokiny- aminy. Fiovana lalina no mitranga ao am-pon’izy ireny, taoriana-na fahadisoana goavana nataony sy niekeny tam-panetrentena, na taoriana-na fitsapana nampangirifiry. Dia takany amin’izay ny tenin’i Jesosy hoe : „Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota”.

Nefa na firy taona ianao na firy taona, ary na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana no itrangan’io fahateraham-baovao io, dia fiovana tanteraka eo amin’ny fiainana izany, fiaingana vaovao, fiandohana fiainana mifandray amina Mpahary tia antsika, mikarakara antsika, ary te hahasambatra antsika.