Alahady 18 Avrily 2027
Raha tàhiny manao soa kosa ianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak’Andriamanitra. Fa ho amin’izany no niantsoana anareo ; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany. 1 Petera 2:20-21
François d’Assise, mpino tamin’ny taonjato faha-13, hono, dia nanao vavaka hoe :
„Ry Tompo,
— Ataovy fitaovanan’ny fiadananao aho.
— Eo amin’izay misy fankahalana, dia aoka hasiako fitiavana.
— Eo amin’izay misy fahatafintohinana, dia aoka hasiako famelan-keloka.
— Eo amin’izay misy fifandirana, dia aoka hasiako firaisana.
— Eo amin’izay misy fahadisoana, dia aoka hasiako fahamarinana.
— Eo amin’izay misy fisalasalana, dia aoka hasiako finoana.
— Eo amin’izay misy fahadisoam-panantenana, dia aoka hasiako fanantenana.
— Eo amin’izay misy haizina, dia aoka hasiako fahazavanao.
— Eo amin’izay misy alahelo, dia aoka hasiako fifaliana.
E ! ry Tompo ! aoka anie aho tsy hitady
— hampiononina, fa hampionona,
— ho takatra, fa hahatakatra,
— hotiavina, fa hitia…”
Izany no notontosain’i Jesosy Kristy antsakany sy andavany, ka taominy isika hanaraka ny diany (1 Petera 2:21). Ny sarotra amintsika dia ny mampihatra ireo zavatra notanisaina ireo, izay niandraiketana kristiana maro. Raha ny marina, dia tsy ho vitantsika amin’ny herintsika samirery izany, fa Jesosy Kristy no afaka manampy sy te hanampy antsika. Mazava ho azy fa ho amin’izany isika dia tsy maintsy mahafantatra Azy, tsy maintsy Azy, ary tsy maintsy manaiky hovainy.