Asabotsy 17 Avrily 2027

Dia naneso toy izany koa ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe : Ny sasany novonjeny ; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ny Israely Izy, aoka hidina hiala amin’ny hazofijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay. Matio 27:41-42

Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Nanolotra ny tenany Izy, hamonjy ahy

Nisy mpaneso nanandrana nihantsy an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Tsy afaka mamonjy ny tenany ve Izy ? Afaka tokoa Izy, nefa niaritra fijaliana nanafahany ny hafa, noho ny fitiavany antsika tsirairay.

Nanasitrana tanana Jesosy. Hoy Izy tamin’ilay lehilahy maty tanana : „Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany” (Marka 3:5). Teo amin’ny hazofijaliana anefa Izy dia navelany hofantsihina ny tanany.

Nanasitrana tongotra Jesosy. Nositraniny ilay malemy tao Betesda noteneniny hoe : „Mitsangàna, ento ny fandrianao, ka mandehana. Ary niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy” (Jaona 5:8-9). Teo amin’ny hazofijaliana anefa Izy dia navelany hofantsihina ny tongony.

Hoy Jesosy tamin’ny vahoaka : „Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro” (Jaona 7:37). Teo amin’ny hazofijaliana anefa Izy dia Izy dia niantso hoe : „Mangetaheta Aho” (Jaona 19:28). Hetaheta ara-batana, hetaheta ara-panahy.

Nilaza Jesosy hoe : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao” (Jaona 8:12). Teo amin’ny hazofijaliana anefa Izy dia tanaty haizim-pito nandritra ny adiny telo.

Natsangan’i Jesosy ho velona indray i Lazarosy sakaizany. Hoy Izy taminy : „Ry Lazarosy, mivoaha ! Dia nivoaka ny maty” (Jaona 11:43-44). Teo amin’ny hazofijaliana anefa Izy dia nanolotra ny tenany hatramin’ny fahafatesana, „nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny” (Jaona 19:30).

Ary farany, tamin’ny fotoana nisamborana an’i Jesosy dia nositraniny ny ratran’ny sabatra nikapana ny sofina mpanompo iray tonga hisambotra Azy (Lioka 22:50-51). Teo amin’ny hazofijaliana anefa Izy dia nolefonina miaramila iray ny lanivoany. „Niaraka tamin’izay dia nisy ra sy rano nandeha” (Jaona 19:34).

Niaritra izany rehetra izany Jesosy, mba hanome ahy ny fiainana, ny fahazavana, ny famelan-keloka. Izany anie ka Mpamonjy e !