Zoma 16 Avrily 2027

Rehefa tonga teo amin’ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany, ary ny anankiray teo ankaviany. Lioka 23:33

 

Ireo teny fito nolazain’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana

Rehefa nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia nanonona teny fito. Voatatitra ao amin’ny filazantsara efatra ireo teny ireo. Vao voahombo teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, teo anelanelana jiolahy roa, dia nanandratra vavaka tamin’ny Rainy, ho an’ireo mpanenjika Azy : „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34). Avy eo Izy dia niteny tamin’ny iray tamin’ireo jiolahy izay nibebaka, hoe : „Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:43). „Ary nony hitan’i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany, nijanona teo, dia hoy Izy tamin’ny reniny : Ravehivavy, indro ny zanakao ! Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra : Indro ny reninao !” (Jaona 19:26-27). „Ary tamin’ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin’ny feo mahery ka nanao hoe : Eloy, Eloy, lamà sabaktany ! izay hoe, raha adika : Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ?” (Marka 15:34 — Matio 27:46). Rehefa avy nizaka ny famaizana mendrika ny fahotantsika Jesosy, „mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy : Mangetaheta Aho” (Jaona 19:28). „Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe : Vita” (Jaona 19:30). „Ary niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe : Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko ; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy” (Lioka 23:46). „Vita.” Vita ny asam-pahasoavana. Manakoako amin’izay ny antsoantsom-pandresena. Ilay maty Izay nanondrika ny lohany Dia nandresy. Vita. (Hymnes et Cantiques — Fanontana 2022, laharana 211)