Alakamisy 15 Avrily 2027
Izy (Jesosy)… nivavaka … : Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao ; esory amiko ity kapoaka ity ; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. Marka 14:35-36
Jesosy… naharitra ny hazofijaliana… mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany. Hebreo 12:2
Feno tebiteby Jesosy niatrika ady mampivarahontsana tao Getsemane, nieritreritra ny handraisany ho eo amin’ny tenany ny fahotantsika, sy hisoloany toerana antsika, hiaritra ny fahatezeran’Andriamanitra. Izany no ambaran’ny „kapoaka”, voalazan’ny Teny androany. Naharikoriko Azy ny fiheverana izany, nefa noho ny fitiavany, dia nekeny ny sitrapon’ny Rainy. Handeha ho eo amin’ny hazofijaliana Izy, ary hisotro amin’ny kapoaka hatramin’ny faikany. Hanaiky hiaritra ny sazy mendrika ny fikomian’ny olona amin’Andriamanitra Izy. Ho zon’i Jesosy ny mandà io kapoaka io, satria tsy nanana ota Izy ! Nefa inona no ho vokatr’izany ? Inona no tena lokan’ilay ady ?
Lahatsoratra maro ao amin’ny Baiboly no miresaka amintsika ireo fijaliana niaretan’i Jesosy sy ny vokatra mahatalanjona naterak’izany :
— „Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka… Noho ny fisasaran’ny fanahiny, dia hahita izany Izy ka ho afa-po” (Isaia 53:10-11).
— „Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy ; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be” (Jaona 12:24).
— „Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ny tany (ho eo amin’ny hazofijaliana), dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy” (Jaona 12:32).
Loka anie izany ! Raha nandà tsy ho faty mba hisolo toerana antsika Jesosy, dia afaka niakatra tany an-danitra, nefa Izy irery. Tsy nisy olona ho voavonjy na iray aza ! Saingy mba hanatanterahany ny sitrapon’ny Rainy, dia niaretany ny hazofijaliana. Ary Andriamanitra dia manolotra ny famonjena ho an’ny olona rehetra, ho fifalian’Izy Ray, sy ny Zanaka, ary olombelona tsy tambo isaina voavonjy ! „Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy… ?” (Lioka 24:26).