Alarobia 14 Avrily 2027
Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay… enjehina, nefa tsy nafoy ; potraka, nefa tsy maty. 2 Korintiana 4:7-9
Tany Inde no nitranga ny tantara, tao amina tanàna kely iray nisy kristiana maro niharana fanenjehana feno herisetra. Nisy vahiny mpitsidika iray niresaka tamin’i Vipur, lehilahy iray amin’ireo kristiana ireo… Nahatsiaro nangirifiry izy nitantara ny nanjo azy, ary namehy izany tamin’ny teny hoe : „Ny fanenjehana dia anisan’ny fiainana kristiana atỳ Inde. Tsapain’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanenjehana ny finoanay”. Avy eo dia nanondrika ny lohany i Vipur, toa kivy…
Koa nanokatra ny Baiboliny ilay vahiny, ary nampamaky mpandika teny ny andalan-tSoratraMasina etsy ambony, hoe : „Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay…”. Ary izao no nanohizany izany : „Indray andro aho dia nandalo vanimpotoana tena sarotra. Nisy olona nanome ahy karatra kely nisy io andinin-tSoratra Masina io, niaraka tamin’ny sarina vilany tany vaky, naverina napetaka tamin’ny volamena. Teo ambanin’ilay sary dia nisy soratra amin’ny teny japoney hoe „kintsugi”, izay midika hoe „namboarina indray tamin’ny volamena”. Io dia haikanto manamboatra ny vilany tany simba amina takela-bolamena. Isika dia tahaka vilany tany. Indraindray dia manorotoro antsika ny fiainana, fa Andriamanitra kosa manamboatra antsika indray amin’ny volamena, mba hahatonga antsika ho mafy kokoa sy ho tsara tarehy kokoa.”
Avy eo ilay mpitsidika dia nametraka ny tanany teo an-tsorok’ity rahalahiny indiana, mba ho mariky ny fifampaherezan’ny samy lehilahy, toy ny hoe nanome ampahany amin’ny herim-batany, mba hampahatanjaka an’i Vipur amin’ny lafiny ara-panahy. Niara-nivavaka izy roa lahy, ary nanohy ny resaka indray i Vipur, nahazo tanjaka, niova mihitsy aza… Niatrana izy, tsy nanafina intsony ireo holatra eo amin’ny vatany ! Feno herim-po vaovao izy, niresaka ny fitsapana ny finoana (1 Petera 1:7).
Ary isika kristiana ve mba mamangy ireo mpino azom-boina ? manomboka amin’ireo manodidina antsika.
Ndao hivavaka ho an’ny kristiana any Inde !