Talata 13 Avrily 2027

Noho ny nampiviliany ny oloko tamin’ny nanaovany hoe : Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona. Ezekiela 13:10

Aoka isika hanana (Isika dia manana) fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 5:1

 

Milamina ny zavatra rehetra

Izany no anaran’ilay toeram-pisotroana eo ankihon’ny arabe misy ny trano fonenako. Karazan’olona maro no miditra ao. Nefa milamina tokoa ve ny zavatra rehetra ? ho an’izay miditra ao sy izay mivoaka avy ao. Miditra ao ny olona mba hahazo fampaherezana, hanadino alahelo, hiresaka amin’ilay mpitantana na amina namana, momba izay zavatra rehetra tsy milamina. Tsy fanontaniana ve io anarana io ? fampieritreretana ? fa tsy fahatsapana ny zavamisy.

„Milamina ny zavatra rehetra”. Tsy izany ve no tiana hampinoana antsika ? Maratra ny fo, misaraka ny mpivady, mitombo ny tebiteby manoloana ny zava-doza mitatao maneran-tany, nefa dia ampamirapiratina eo anoloantsika ny hisiana fiadanan-tsaina ho avy sy tontolo tsaratsara kokoa. Nofinofy zara raha maharitra andro iray ! Ity tontolo ity dia tantara an-tsehatra midadasika andraisan’ny olombelona anjara isehoana, ka tsy ahitany mifanatrika akory ny zavamisy.

Ny zavamisy dia izay ambaran’Andriamanitra antsika ao amin’ny Baiboly, izay Teniny. Tsy milaza tsy akory Andriamanitra hoe milamina ny zavatra rehetra, fa ny mifanohitra amin’izany, dia hoe very ny olona, ary ny fitsarana no miandry azy. „Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra, sady manana aretina tsy azo sitranina” (Jeremia 17:9). Matoa ny olona mandositra zavamisy mampatahotra azy, dia satria tsy mahita fomba mihitsy hamahany ny olany. Andriamanitra dia manambara aminy ny marina momba ny toera-mampivarahontsana misy ny olona, satria Izy irery no afaka mitondra fanafana amin’izany. Nirahiny ho etỳ an-tany ny Zanany, mba hahazoan’izay mino an’i Jesosy Kristy ny famelana ireo fahotany, ny fihavanana amin’Andriamanitra, ary ny fiainana mandrakizay. Tsy ilaozana fitsapana tsy akory ny mpino, saingy fantany kosa fa „hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra” (Mpitoriteny 8:12).