Alatsinainy 12 Avrily 2027
He izato hafaliana sy haravoravoana ! … Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty. Isaia 22:13
Mandalo izao fiainana izao sy ny filany ; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay. 1 Jaona 2:17
Mafy indrindra ny krizin’ny valanaretina Covid tamin’ny lohataona 2020, ary tamin’io fotoana io dia nisy mpanao famakafakana nahatsinjo hoavy hafa, nilaza hoe : „Ny tontolo aorianan’izao” dia tsy hikatsaka fatratra intsony ny zavatry ny tany, ary hitodika kokoa amin’ny hafa, ny tontolo iainana, ny fifampizaràna, ny „tena soatoavina”… Herintaona tatỳ aoriana, inona sisa no tavela tamin’izany vinavina izany ? Tamin’ny lohataona 2021 dia nisy toniam-panoratan-gazety iray nanoratra hoe : „Manarina ny fotoana very, mitady indray ny tsiron’ny fiainana, mivoaka, mihataka, izany no foto-kevitra nanjaka. Hoesorina tsikelikely ny famerana teo amin’ny fanjifana nanomboka tamin’ny lohataona 2020”. Ary nisy kalazalahy iray tompon’orinasa aza, nanampy hoe : „Mpanjifa maro no nilaza taminay ho nahatakatra fa mety ho faty izy ireo ny ampitso, ka izao ankehitriny izao no tokony hanararaotra ny fiainana”.
Toa hafahafa ihany ny hoe tsy maintsy nisy io valanaretina io vao „nahatakatra fa mety ho faty ny olona” ! Io fahamarinana tsy azo ihodivirana io dia nailiky ny mpiara-belona amintsika, nahataka faran’izay lavitry ny maso sy ny eritreritra. Tsy maintsy notanisain’ny haino aman-jery isan-kariva ny isan’ny maty isanandro, vao voatsiahy tao anaty fieritreretantsika io fahamarinana io. Inona anefa no vokany ? Tsy niomana akory ho amin’ny fahafatesana ny olona, fa vao mainka nitady hanilika izany vetivety, nanararaotra faran’izay tratra ny fiainana ankehitriny.
Ambaran’ny Baiboly antsika fa tsy izao fiainana izao no fara fitodiana, ho antsika. Noho izy mandalo indrindra aza, noho izaho mahafantatra fa mety ho faty amin’ny fotoana rehetra aho, no tokony hahavonona ahy hampamoahin’Ilay Mpahary ahy. Ary ny hany fomba hananana fiadanam-po ho amin’io fe-potoana io, dia ny mandray ny famelan-keloka atolony, noho ny sorona nataon’i Jesosy Kristy.