Alahady 11 Avrily 2027
Voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo. Jaona 20:31
Mino izany va ianao ? Jaona 11:26
Mangetaheta fahasambarana ve ianao ? Jesosy dia manolotra anao, toy ny nataony tamin’ilay vehivavy Samaritana, ny rano mahatony izay rehetra hetahetan’ny fanahy : „Na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy, dia tsy hangetaheta mandrakizay” (Jaona 4:14).
Mahatsapa hanoanana ara-panahy ve ianao ? Manome anao ny mofon’aina Izy : „Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra ; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy” (Jaona 6:51).
Mandeha amin’ny maizina ve ianao, tsy mahafantatra izay alehanao ? Indro Jesosy, Ilay fahazavan’izao tontolo izao : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).
Mahatsiaro tena ho marefo loatra ve ianao ? ka tsy mahatohitra ny fanafihan’ny devoly. Ilay Mpiandry Tsara, nanolotra ny ainy ho an’ny ondriny, dia miantoka ny fiarovana azy ireny : „Izaho no Mpiandry Tsara ; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry”. Ary tsy misy afaka mandrombaka azy ireny aminy : „Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako” (Jaona 10:11, 28).
Hitanao toa sarotra ve ny lalana arahinao ? ary toa tsy misy lalan-kivoahana mihitsy aza. Manome toky anao Jesosy : „Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6).
Mampatahotra anao ve ny fahafatesana ? Manome antoka anao Jesosy : „Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jaona 11:25).
Avereno vakina ireo tenin’i Jesosy ireo. Afaka mamaly izay rehetra ilainao Izy, ary te hamaly ireny. Afaka manao izany Izy, satria mahery sady mahatoky ; te hanao izany Izy, satria tia anao.