Asabotsy 10 Avrily 2027

Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany. Apokalypsy 20:12

Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan’ny sisa amin’ny lovany ? … Harianao ho any amin’ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra. Mika 7:18-19

 

Ilay milina fanapotehana taratasy

Ny sampan-draharaha misahana ny mpiasa ao amin’ny orinasako dia manana milina fanapotehana taratasy. Taomina hampiasa izany ny tsirairay, mba hanapotipotika ireo antontan-taratasy lany andro na mirakitra tsiambaratelo. Maneno moramora ilay milina eo am-panaovana ny asany, mitelina ny taratasy aroso eo aminy ary manapotipotika izany ho antontana poti-taratasy tsy misy ifandraisany intsony amin’ilay niandohany. Tsy ho hay atao intsony ny mamerina amin’ny toetrany teo aloha ilay taratasy. Antoka tokoa moa izany ! ho an’izay tsy tia mihitsy hoe hiely, indray andro any, ny zavatra voarakitra tao anatiny !

Nefa misy fampahafantarana hafa tsy afaka foanana milina. Izany dia izay nataon’ny olona tsirairay, voasoratra ao amin’ny boky any an-danitra, dia ireo „boky” hosokafana amin’ny andro fitsarana. Eritreritra sarotra zakaina izany, ho an’ny saina sy fieritreretantsika ! Andriamanitra dia mahafantatra ny zavatra rehetra, ary toy ny hoe mitahiry izany ao anatina fitadidiana goavana tsy mety diso. Ary ny olona tsirairay dia samy hampamoahina avokoa ny amin’ny nataony.

Iza no hahazaka izany fampamoahan’Andriamanitra izany ? Tsy misy… afa-tsy ireo izay tsy hotsaraina, satria voavela heloka noho ny finoana ny sorona nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Ho azy ireo dia efa nozakain’ny Mpamonjiny ny fanasaziana ny fahadisoan’izy ireo. Amin’izay Andriamanitra, araka ny fahamarinany lavorary, dia ho afaka tsy hijery intsony ny fampahafantarana mety hanohintohina azy ireo, izay levona tsy misy, sy hadino mandrakizay, atsipy any amin’ny „ranomasina lalina”. Eny, ny ran’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, ra latsaka teo amin’ny hazofijaliana, dia manadio izay matoky Azy, ho afaka amin’ny fahotana rehetra.