Zoma 9 Avrily 2027
Anaro ny mpanankarena … mba tsy … hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, mba … hazoto manome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana. 1 Timoty 6:17-19
Ny harena dia afaka mandany ny hery sy fisaintsainantsika, hany ka kely variraiventy sisa ny fotoana ho an’ny zavatra manan-danja kokoa. Izy io dia mitarika antsika ho amina herehina maro kokoa hatrany : „Nahazo be kokoa aho, ka handany be kokoa. Ary satria aho mandany be kokoa, dia tokony hahazo be kokoa.” Tsy mahatsapa mihitsy isika hoe efa ampy harena, ka voataona hiasa be kokoa hatrany.
Ao amina fanoharana iray Jesosy dia miresaka lehilahy manankarena nahazo vokatra betsaka (Lioka 12:16-21), nefa tsy niaina afa-tsy ho an’ny tenany ka tsy niraharaha an’Andriamanitra. Nanonofinofy momba izay hisitrahany ny harenany izy, no nilazan’Andriamanitra hoe : „Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao ?” Nanangona harena ho azy samirery izy, fa tsy mba „manankarena ny amin’Andriamanitra”. Veriny ny fiainany !
Rehefa hiseho eo anatrehan’Andriamanitra isika, dia inona no hanan-danja ? Fiainana nifantoka tamin’ny tena sy volantsika any amin’ny banky ve ? Sa fiainana nitodika tamin’Andriamanitra sy tamin’ny namantsika ? Ho zava-doza raha nanakana antsika tsy hihevitra ny famonjena ny fanahintsika ny fikatsahana harena ! Manana fotoana hanangonana vola, nefa tsy manana fotoana hahazoana ny tena harena, dia ny fiainana mandrakizay, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy !
Ny mpino koa dia tokony hitandrina mba tsy hanjary fandrika ho azy ireo ny vola. Taomin’ny Teny androany isika hihevitra ny fananantsika ho fanomezan’Andriamanitra, sy hitantana izany an-kalalahan-tanana. Dia hanangona harena manan-danja any an-danitra isika, izay „fanorenana tsara … ho amin’ny andro ho avy”.