Alakamisy 8 Avrily 2027
Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay ? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 6:68
Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona. Salamo 42:2
Lazaina matetika fa ny finoana kristiana dia tsy antokom-pivavahana fa fifandraisana, fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy. Na izany aza anefa dia mety ho mora tafalatsaka anaty fivavahana kristiana ara-pomba ihany isika. Tena afaka mivavaka sy mamaky ny Baiboly am-pahazarana aho, mankany am-piangonana mba hanaraka ny namako, manana fitondrantena tsara mba hankasitraka ahy ny olona manodidina ahy. Araka izany aho dia mety hiaina fiainan’„olom-banona kristiana”, nefa tsy mandeha amin’ny fitiavana an’Andriamanitra. Io fitiavana io no tokony ho hery voalohany manetsika ny fiainam-pinoako. Andriamanitra dia mahita ny foko ary mahafantatra ireo antony ao ambadiky ny zavatra ataoko.
Koa ndao hiverina eo amin’ny loharano. Ndao hametraka ny fanontaniana hoe : nahoana aho no mino ? Inona, na iza no iorenan’ny finoako ? Tokony hahitsy fo amin’ny tenako aho : manam-pinoana ve aho satria izany no fanabeazana noraisiko tamin’ny ankohonako ? Satria ireo namako dia mino ? Satria aho te hahatsapa hoe ekena ao anaty vondron’olona iray, te hankasitrahin’ny tontolom-piarahamonina misy ahy, te hankafizin’ny hafa… ?
Sa ve aho mino satria „fantatro Izay inoako” (2 Timoty 1:12), mino satria tia an’i Jesosy, te hianatra hahalala Azy betsaka kokoa hatrany, mahatsapa eo amin’ny fiainako fa manome izay rehetra ilaiko Izy, mameno ny banga ao amin’ny fanahiko, ary Izy irery ihany no mahay manao izany, fa tsy olona na zavatra ?
Na ahoana na ahoana, dia „fahamarinana ao am-po” no sitrak’Andriamanitra (Salamo 51:6). Rehefa mahatsapa tena ho osa aho, dia afaka mitoky amin’ny heriny. Afaka mangataka Azy hanome ahy fitiavana Azy betsaka kokoa. Izany no hany fototra iorenan’ny fatokiantsika.