Alarobia 7 Avrily 2027

Fa katsaho aloha ny fanjakany (ny fanjakan’Andriamanitra) sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. Matio 6:33

 

Nenjehina… andinin-tSoratra Masina iray

Dwight L. Moody (1837-1899), mpitoriteny amerikana, dia nitantara fa taoriana-na toriteny momba ny Matio 6:33, dia nisy lehilahy hendratrendratra iray nanatona azy, nilaza taminy hoe : „Rehefa nandao ny ray aman-dreniko aho 40 taona lasa izay, dia nitalaho tamiko ny reniko mba hanolorako tena ho an’i Jesosy. Tsy tia nanao izany aho sady tsy nanam-potoana hanaovana izany. Nefa nampanantena azy aho hoe hankany am-piangonana isaka alahady, raha afaka. Dia lasa aho.

Nanisika Baiboly iray tao anaty valiziko ny reniko. Notsipihiny ny Matio 6:33. Ny alahady manaraka, tany am-piangonana, dia niresaka momba ny Matio 6:33 ny pasitera. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, tao amina fiangonana iray hafa, dia mbola io teny io koa no notorina. Nanelingelina ahy izany, nefa nandamin-tsaina aho, nanao anakampo hoe mbola afaka hanjary kristiana ihany any aoriana. Dia tsy nahare toriteny momba io andinin-tSoratra Masina io intsony aho, nandritra ny 40 taona. Ary izao, niditra tato aho, tsy mahafantatra ahy akory ianao ary tsy fantatro —nefa inona no notorinao ? Ny Matio 6:33 ! Andriamatoa Moody, heverinao ve fa mbola te hamela heloka sy hamonjy ahy hatrany Andriamanitra ?” Koa satria nanome antoka azy i Moody hoe misokatra mandrakariva ny varavaran’ny famonjena, dia niova fo ho an’ny Kristy ilay lehilahy. Nahari-po taminy Andriamanitra nandritra ny 40 taona, ary nony farany dia nivaly ny vavaka nataon’ny reniny.

Angamba misy andinin-tSoratra Masina „manenjika” anao koa ? Na fantatrao fa misy olona mivavaka ho anao efa taona maro izao ? Nahoana ianao no tsy mitodika amin’ny Kristy, Ilay Mpamonjy, Izay miandry anao ? Nahari-po tamin’io lehilahy io Andriamanitra, nefa tsy misy mahafantatra izay havoakan’ny ampitso. Aza manjehy ny andro ho lava e, aza avela handalo ny fotoana !