Talata 6 Avrily 2027

Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany : Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy ; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy… dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy. 1 Jaona 5:14-15

 

Mandehana koa impito

Tsara vakina : 1 Mpanjaka 18:41-46

Elia, ilay mpaminany teo amin’ny Israely, dia nandohalika nitalaho tamin’Andriamanitra. Tsy nisy ranonorana nandritra ny telo taona sy tapany, noho ny tsy fankatoavan’ny vahoaka. Nanome toky Andriamanitra fa hanome ranonorana indray, ka nivavaka mafy i Elia mba hahatongavan’izany. Nefa na dia nafana fo nivavaka aza izy, dia tsy nisy na inona na inona nitranga. Nirahiny ny mpanompony hitily ny fiavian’ny rahona eny amin’ny faravodilanitra, saingy tsy nahita na inona na inona. Nikiry i Elia, ka mbola nandeha nitily fanindroany ilay mpanompony, nefa dia valinteny tsy niova no nentiny : tsy misy, tsy misy na inona na inona ihany. Niverina inenina nisesy io fitiliana io : tsy nisy ihany, na dia rahona kely fambara orana aza, teny amin’ny faravodilanitra !

Niova hevitra ve Andriamanitra ? Tsy nohenoiny ve ny vavaka mafy nataon’ilay mpaminaniny mahatoky ? Tsy mampanontany tena sy mahakivy ve izany ? Tsia, fa nikiry ihany i Elia, nivavaka hatrany. Nony fanimpitony, ela ny ela ka nahatazana rahona kely teny am-paravodilanitra ilay mpanompo. Tamin’i Elia dia fanambarana mazava ny valim-bavaka avy amin’Andriamanitra izany. Nasainy nampandrenesina haingana ny mpanjaka, ary notoroiny hevitra hanafaingana ny diany, mba tsy ho tratran’ny oram-baratra !

Isika ihany koa ve tsy efa nivavaka, nanana antoka fa araka ny sitrapon’Andriamanitra ny angatahintsika ? Nefa tsy nisy valiny. Ela tsy tonga, ka mihozongozona ny finoantsika. Toy ny nanirahan’i Elia ny mpanompony, dia mandehana isika impito, raha ilaina izany, hitily ny fambara valim-bavaka. Mahatoky Andriamanitra, ka manatanteraka izay nampanantenainy. Mitsapa ny finoana sy faharetana ary fikirizantsika Izy, nefa kosa miandry antsika hivavaka mandrakariva ka tsy reraka (Lioka 18:1).