Alatsinainy 5 Avrily 2027

Nony nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe : Aza mitomany. Lioka 7:13

Izay milaza fa mitoetra ao aminy (ao amin’i Jesosy Kristy) izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. 1 Jaona 2:6

 

Manatona an’ireo olona manirery

Any amin’ny kolejy, na any amin’ny lisea, na any amin’ny oniversite, dia matetika misy olona mihatakataka, manirery, indraindray satria saro-kenatra, na mahatsapa ny tenany ho hafa tsotra izao. Tsy hoe iharana fanenjehana tsy ankiato izy ireny, nefa mety handratra azy ny tsy firaharahana azy. Mety ho voailika mihitsy aza izy ireny. Izao aho dia miverina mieritreritra namana maromaro mpiara-mianatra tamiko, tamin’ireto taona faramparany ireto. Tsy mba nanatona azy ireny foana aho, ary manenina noho izany.

Inona no hataon’i Jesosy, raha manatrika ara-batana eo ? Angamba hanatona hipetraka eo anilan’io olona manirery io. Hametraka ny viliaben-tsakafony eo anoloan’ny an’io olona io Izy, ao amin’ny toeram-pisakafoan’ny mpianatra. Hanomboka hiresaka aminy, an-kalemem-panahy sy am-piombonam-po.

Tsy mora iaraha-monina mandrakariva isika. Mora kokoa indraindray ny mitoetra irery ao amin’ny tontolo mampiadana antsika, indrindra raha efa manana vondrona namana. Mety hatahotra ny hotsarain’ny hafa ihany koa isika. Nefa ampaherezin’i Jesosy mba ho tia ny hafa tahaka ny tenantsika (Matio 22:39). Afaka mitsotra aminy isika, hoe sarotsarotra amintsika ny manao izany, ary afaka mangataka Azy hanampy antsika !

Angamba ianao mieritreritra olona iray manokana, eo am-pamakiana ity takelaka ity ? Tianao ve, rahampitso, na amin’ny herinandro ambony, ny hanandrana hifandray voalohany aminy ? Tsiky iray, teny kely hoe „Manao ahoana ianao ?” dia efa mety hitondra zavatsoa maro. Ary hevero anie ny fifalian’i Jesosy e, mahita anao manaraka ny ohatra nasehony.

„Dia nanatona [azy roa lahy] Jesosy ka niaraka taminy” (Lioka 24:15).