Alahady 4 Avrily 2027
Hidera an’i Jehovah aho, raha mbola miaina koa ; eny, hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola velona koa. Salamo 146:2
„Ahoana no tsy hiderako Anao ?”
Io dia lohatenina hira noforonina tamin’ny taona 2009, ary nandeha tamina tambajotra maro tamin’ny taona 2022, ka nanjary malaza. Nosoratan’ilay mpamorona azy izy io, mba hanehoany ny fankasitrahany ny Tompo Jesosy, Izay nanasitrana azy tamina aretina mafy. Na mpino na tsy mpino dia samy mihira azy, noho ny antony maro tena samy hafa. Na manentanentana aza ny paikany, dia aza hadinointsika ny hevi-dalina raketin’ny tonony. Tian’Andriamanitra ny teny sy hirantsika raha manambara marina ny ao am-pontsika.
Hoy ny fiverenan’io hira io : „Ahoana no tsy hiderako Anao, ry Tompo Jesosy ! Ahoana ? Ahoana ? Rehefa mijery manodidina ahy aho, dia mahita ny voninahitrao, ry Tompo Jesosy, ary misaotra Anao”. Maro aoka izany ny antony ideran’ny mpino ny Tompony. Taomina isika hiara-manao izany, ry kristianan’ny taranaka rehetra : „mifampilazà amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ny Tompo” (Efesiana 5:19).
Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga mba hitady sy hamonjy ny very. Noho izany izy ireo dia midera ny fahasoavan’i Jesosy, fahasoavana mahatalanjona. Maty Izy mba hanonitra ny fahadisoan’ny olona, nitsangana velona indray, velona eo ankavanan’Andriamanitra, ary mivavaka ho azy ireo any ambony any. Tsy misy hahasaraka antsika amin’ny fitiavany, mandra-pahatonga ny andro hihiran’ny mpino rehetra, „avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra” ny fihiram-baovao (Apokalypsy 5:6-10).
Andriamanitra ô, avy aminao ny zava-drehetra, ary tamin’ny alalanao, sy ho Anao ;
Mahatalanjona loatra Ianao ! Hisaorana mandrakizay anie Ianao !
(Hymnes et Cantiques — Fanontana 2022, laharana 302)